Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 06h33
 

Malagasy

Voinkava-mahatratra

Teraka ny fanararaotana

samedi 23 février 2008 | Naivo kely |  454 visites 

Satriko aza maratra. Tanteraka io fomba fiteny io manoloana ny voina mahazo ny mpiray tanindrazana. Miaka-bidy avokoa ny entana rehetra amidy eny an-tsena toy ny vary izay tafakatra hatrany amin’ny 2000 Ar. ivelan’ny renivohitra. Ny kojakoja ilain’ny mponina andavanandro « PPN » dia nahitana io fiakarana io avokoa. Voalaza fa ny hafitsoky ny mpitatitra no nahatonga izany.

Raha nidina teny amin’ny toby fiantsonan’ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly ny mpanao gazety namakafaka momba izany, dia voalaza fa ny làlana tapaka no fototry ny olana. Ny làlana ratsy, ary maharitra telo andro vao tafakatra ny làlam-pirenena raha amin’ny toerana ambanivolo. Tsy azo lavina anefa fa misy ny tena manararaotra tsotra izao, ka ny entana efa ao an-tsena nandritra ny fotoana ela no hampiakarina ny vidiny raha vao tonga ny rivo-doza. Ny menaka sy ny vary, ary ny saribao no tena nahitana io fiakarany io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}