Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Tokantrano tsy ahahaka

mardi 5 février 2008 | Naivo kely |  713 visites 

Ao anatin’ny ady atao amin’ny parasy isika eto Madagasikara, raha ny tatitra heno, dia efa vita ny ady ankehitriny, fa ny fanentanana ny olona mba hadio sisa no mbola atao. Aretina faran’izay mahamenatra ity « parasy lafrika » ity, satria biby kely maharikoriko, nefa dia saika nahazo laka tany amin’ny faritry Toamasina I sy faha II iny. Fahavoretrana noho tsy fisian’ny fahadiovana, hoy ny maro no mahatonga izao, nefa tsy azo lavina fa eo ny fahantrana. Saika ireo olona sahirana avokoa no nalana parasy tany amin’ireo faritra ireo, izay olona tsy mba afaka mividy kiraro, eny fa na savony aza. Ny rano hidiovana hinanan-kanina aza anie ka mbola maro no mividy azy ity e ! Niely tany ivelany izy io, izay azo antoka fa sokajian’ny vahiny ho firenena mihemotra isika fa tsy mandroso. Vanim-potoana tahaka izao ve no mbola ahitana olona rakotry ny parasy ary nisy mihitsy ny maty. Tokantrano tsy ahahaka ity, ary tsy isika intsony no hanome naoty ny fiainan’ny mponina fa efa ny any ivelany mihitsy no milaza fa firenena mahantra i Madagasikara, ka ny parasy avy no efa mamono olona fa tsy ny baomba toy ny any amin’ny firenena miady atsy Iraka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}