Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Toko telo

lundi 5 novembre 2007 | Naivo kely |  550 visites 

anana izay ho ataontsika amin’ny 12 desambra izay hanjakan’ny tanora sy olom-baovao ny sehatra raha ny andrenivohitr’i Madagasikara no asian-dresaka. Andry TGV, Hery Rafalimanana, Marc Ramiaranjatovo ben’ny tananan’Alasora izay hirotsaka eto andrenivohitra. Ireo no nanao fanambara tao anatin’ny faran’ny herinandro teo hiady ny amboara eto Iarivo. Toko telo tsy mifameno ireo fa mifanipaka, satria tsy hisy hifampitsitsy na eo amin’ny vava avoaka na ihany koa eo amin’ny resaka ara-bola sy fitaovana. Anjaran’ny kandida ny mampidera izay hananany, saingy ny vahoaka no tompon’ny latsa-bato farany ao amin’ny trano fisainana, ka izay no hilazana fa hangotraka ny fifaninana eto, raha noheverina fa andeha ila izy tany aloha. Ny mety hanafintohina ny mpitazana, dia ny hoe afaka haneho ny heviny malalaka ve ny tsirairay, sa hisy teritery toy ny hita hatramin’izay ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}