
« Mila manao jery todika ny foloalindahim-pirenena », hoy ny jeneraly Rakotomanga Mijoro.
« Mbola misy foana ny fikasana hanongam-panjakana hatramin’izao, nisy ny fiakasana famonoana ny filoham-pirenena, araky ny fahitan’ny Jeneraly Rakotomanga Mijoro ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. Mbola betsaka ny disadisa sy ny olana mbola tsy voavaha eo amin’ny foloalindahy. Tokony natao ny jery todika na « mise à plat » nandinihana ny zava-misy, sy ny fanarenana ny lesoka, ny famaritana mazava ny toerana misy ny miaramila ary ny làlan-kaleha. Tsy azo ekena mihitsy ve ny fanaovan’ny miaramila politika sa azo heverina ihany fa olom-pienena feno manao fanamiana izy ireo ? » Midera ny fitondrana ankehitriny ny jeneraly Rakotomanga Mijoro amin’ny nanendrena sivily vehivavy teo amin’ny toeran’ny minisitry ny Fiarovana. « Saro-pady io minisitera io. Omena satromena ny toerana, miteraka fialonana ho an’ny kepy mainty. Omenao ny kepy mainty tsy faly ny hafa. Io izany ny ala-olana. Tsy voatery ho vehivavy anefa. Raha bangoina dia mitombona ny voalaza etsy ambony, raha vao hapetraka amin’ny toerana politika ny miaramila. Ary vao maika miha sarotra ny raharaha satria toerana natokana ho an’ny sivily ary raran’ny lalàna rahateo ny miaramila tsy hanao politika.
Koa halaim-panahy ary ny sasany ka manararaotra, ary dia velona ny fitapitaka sy ny adi-lahy madinidinika eo anivon’ny samy miaramila mba ahazoana seza be tombotsoa sy voninahitra. Eo anilan’izay, ny mpanao politika dia manjono na mandrangitra sy mampiady. Izany no rivotra hiainan’ny foloalindahy hatramin’ny 1974 hatramin’izao. Koa mahagaga ve raha nisy ny 11 febroary 1975, raharaha Ratsimandrava, ny raharaha Andriamaholison, ny fifanolananan’ny Président Albert Zafy sy ny praiminisitra Ravony Francisque, ny fidinana an-dalambe tamin’ny 2001 sy 2002 ? ».
Nangonin’i Manjakahery Tsiresena