Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Totozy an-davenona

vendredi 18 janvier 2008 | Naivo kely |  734 visites 

Sempotra tanteraka ny ankamaroan’ny tokatrano Malagasy amin’izao, mahita ny fihazakazaky ny sondrom-bidim-piainana, indrindra taorian’ireny fiakaran’ny vidin’ny solika teto amintsika ireny. Tsy nahita fahasarotana tahaka izao hoy ny mpitazana, eny fa na dia tamin’ny taona 2002 izay nahatratra hatrany amin’ny 6000 ariary ny vidin’ny solika tamin’izany, kanefa tsy tafakatra toy izao ny kilaom-bary sy ny hena. Ny saran-dàlana anefa dia niakatra raha ny ivelan’Antanananarivo no asian-teny. Mazava ho azy fa raha ny ankehitrio no asian-dresaka dia misy ihany koa ny fanarararaotana ataon’ny olona sasany izay mihevitra ny hanam-be ka tsy mijery ny vokatry ny sondrom-bidy izay ataony. Toy ny totozy an-davenona ihany anefa isika ka ho sempotry ny ataony, satria dia hifaninana ny hampiakatra ny entana amidiny ny eny an-tsena. Tsy ny olona efa manana mihitsy ny hizaka ny vokany, fa ny madinika hatrany, ary hipetraka hatrany ny elanelana eo amin’ny manana sy ny mahantra satria ny karama mba nanampian’ny fanjakana ny azy ireny dia 10% monja. Saintsaino ny karama farany ambany eto, koa fahantrana inona no ho afaka amin’izao ? Miasa tsara dia miasa mafy hoy ny mpitondra, saingy mbola hanana risi-po ve ny vahoaka raha toy izao hatrany no vokatry ny hatsembohany ? Dia samia velon’aina ary mahereza, fa tsy hay intsony izay hiafarantsika fa dia minoa fotsiny ihany e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}