Takina tanteraka ny hetsiky ny mpanohitra teto Madagasikara nandritra ity taona madiva hivalona ity, na dia teo aza ny sehatra nahafahana nandrombaka fahefana tamin’ny alàlan’ireo fifidianana maro izay niseho teto. Tsy ny hevitra naroson’izy ireo no tsy misy fa ny hery tsy mitovy nanehoana hevitra angaha no tsy ampy ? Hita fa nanjakan’ny fitondrana tanteraka ny sehatra rehetra ka na maro aza no tsy nankasitraka ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia naroso ihany ary iny niarahana nahita iny ny vokany. Volana vitsy taorian’izany dia nisafidy izay hisolo vava azy etsy Tsimbazaza ny Malagasy, ary nahazo seza 106 ny TIM. Maro no nitaraina fa nanjakan’ny hosoka io fifidianana io, kanefa nangina ihany rehefa navoakan’ny HCC tamin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny fifidianana izay natao ny 23 septambra lasa teo. Farany dia ny fametrahana izay ho ben’ny tanàna sy ny mpanolon-tsaina ny 12 desambra izay nahitana taratra ny fiovana izay nikotrika ela tao am-pon’ny Malagasy tsy an-kanavaka. Nandresy ny tsy miankina tamin’ny Renivohitry i Madagasikara, ary ny rivotra entin’io fiovana io dia mbola samy mitazana ny rehetra. Raha Antananarivo no mievona, hoy ilay mpanao politika iray izay, dia Madagasikara manontolo no voan’ny sery. Hatreo dia nahazo aina kely ny mpanohitra izay efa saika nanomboka very fanantenana, ary nahatsapa fa mila olom-baovao ny fiaraha-monina. Ankilan’izay, dia manomboka reraka ny antoko matanjaka TIM satria maro no nandao ny sezany toy ny fandravana ny antenimieram-pirenena, ary nivadika nanao tsy miankina. Nanomboka ny disadisa anatiny, ary firy amin’izy ireo ankehitriny no mbola tena mifikitra amin’ny foto-kevitra nijoroany teo aloha ? Ireo rehetra ireo no hilazana fa mila fomba fijery vaovao ny rehetra, ka tsy mahagaga raha nirohotra nanome ny safidiny ho an’ny tanora raha ny teto an-drenivohitra manokana no asian-teny. Ny mpitondra sy ny mpanohitra variana mifanasa vangy, ny tsy miankina kosa dia misoko miadana ao am-pon’ny vahoaka. Koa ho gaga ve isika raha toa ka hisy hery iray hipetraka manerana an’i Madagasikara atsy ho atsy ?
Tsy afa-nihetsika ny mpanohitra
vendredi 28 décembre 2007 |
| 654 visites