Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Filohan’ny Sénat vaovao

Tsy hitondra fahagagana

mardi 6 mai 2008 | Naivo kely |  396 visites 

Anio no fantatra izay ho filohan’ny Antenimieran-doholona vaovao. Samy manana ny tombany izay mety ahazo ny toeram-boninahitra iray io ny rehetra. Anarana telo no mandeha, izay samy olona akaiky ny filohan’ny Repoblika avokoa, ka ho sarotra amin’ny loholona mpifidy ny tena hametraka ny safidiny malalaka.

Ny tsara ho fantatry ny maro, dia tsy hitondra fahagagana eo amin’ny fiainam-bahoaka andavan’andro izay lany eo. Maro ny lalàna tsy maintsy ho dinihina, fa ireo hevi-baventy mahakasika ny lafim-piaraha-monina maro ve azo antoka ny ahalany azy ao amin’io lapa io ? Tsara ny milaza fa saika ny TIM no mandravaka ny seza ao, ary izay heverina fa mifanandrify amin’ny fomba fijerin’izy ireo no tsy maintsy hivoaka ao. Matoa mijoro ny andrim-panjakana dia misy vokatra tsara sy haingana miantraika eny anivon’ny faritra sy ny kaominina andrasana ao. Ny fomba fiasan’izay birao vaovao hijoro eo no andrasan’ny maro, satria maika ny fampandrosoana araky ny heno etsy sy eroa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}