Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy mahagaga raha potika

jeudi 31 janvier 2008 | Naivo kely |  649 visites 

Nandalo ny indray ny rivo-doza ka lasibatra tamin’io ny tranom-panjakana maro isan-karazany, indrindra fa ny any amin’ny faritany. Potika satria toa tsy misy fikarakarana izy ireny, izay hita ny ankamaroany fa asa vita fony andron’l Dadabe Tsiranana, ary izay mpitondra rehetra nandalo amin’izy ireny, dia mipetraka avy hatrany fa tsy mba nisy ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana izany satria tranom-panjakana tokoa fa tsy an’ny tena. Tsy ny tranon’olona ambony misaha asam-panjakana ihany no ahitana fahasimbana tahaka izao, fa eo ihany koa ireny sekoly toy ny EPP sy CEG ireny, ka sorona tsy fidiny ny ankizy mpianatra. Tsy hiandrasana ny mpitondra foibe avy aty an-drenivohitra intsony angamba ny fanavaozana ireny satria efa nomena andraikitra feno ny faritra eto Madagasikara. Fanamby napetraky ny filoham-pirenena ihany koa ny fifaninanana isam-paritra, ka raha ny trano hiasan’ny mpitondra aza tsizarizary risim-po tahaky ny ahoana no hizotra any amin’izany fampandrosoana izany ? Mazana dia tsy misy fikitihana ny fanamboarana ireny fananam-bahoaka ireny, koa tsy mahagaga raha potika izay hany mba mijoro. Mbola tsy ahatonga saina antsika ihany ve ny fahavoazan’ireny biraom-panjakana isan-karazany ireny rehefa mandalo ny rivo-doza ? Alao hery ary, fa ny fitondrana tsy hanampy izay tsy mihetsika, ary aoka ho anatra ireny fanovana tompon’andraikitra misahana asam-panjakana ireny, satria tsy hisomonga amin’ny lafin-javatra toy itony ny filoham-pirenena. Mba modely e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}