Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Tolon’ny mpiasa

Tsy mahita toerana hikabariana

vendredi 25 avril 2008 | Naivo kely |  357 visites 

« Tsy kivy fa ny tolona tsy maintsy vita ». Io no nambaran’ny fikambanan’ny mpiasa mivondrona anaty sendika momba ny daty malaza ny voalohan’ny volana mey izao.

Tsy nomena ny mpiasa ny kianja mitafon’i Mahamasina. Ny antony tsy fantatra. Nangataka ny kianja eny Alarobia indray ary mbola tsy nomena io toerana io ihany. Ny tranom-pokonolona Isotry, Malacam Antanimena, ny tetsy amin’ny Esca, dia saika nolavina avokoa.

Nambaran’ingahy Rabemananjara Paul, sekretera jeneraly ao amin’ny Fisemare, fa « aza avela hitroatra ny mpiasa vao ahazo izay ilainy ». « Daty hankalazaina eran-tany io, koa nahoana no sakanana toy izao ny mpiasa ? Inona no hevitry ny mpampiasa manoloana izao, sa efa misy firaisana hevitra amin’ny fanjakana tsy hankalazana izany izy ireo ? » Ny alatsinainy izao dia hambara amin’ny rehetra ny toerana hidinana an-dàlam-be io, ary ny hikabariana avy eo, ary aoka mba hiray hina ny mpiasa Malagasy, mba tsy hanaiky ho tampenam-bava lava izao.

  • Velona ny fandrahonana

Ny amin’ny orinasa afaka haba kosa, dia hita fa misy ny fandrahonana. Ingahy Rajaonarifanja, tompon’andraikitry ny mpiasa amin’ny orinasa afaka haba eto an-drenivohitra no nilaza io omaly. Mampitandrina ireo toeram-piasana mihevitra ny hangeja ny mpiasa izy ireo amin’io vanin’andro io. Ny orinasa afaka haba no tena ahitana ny fanitsakitsahina ny zon’ny mpiasa, ka rariny raha avela mba hanana ny zony izy ireny. Fanerena ny mpiasa hanenjika isa no voalaza fa tsy maintsy atao, ary izay tsy miasa dia voaroaka avy hatrany.

Mbola tantara mitohy ity tolon’ny mpiasa amin’ny 1 mey ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}