Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Antoko Fitarikandro

Tsy mandray ny andraikiny ny FFKM

mardi 17 juin 2008 | Naivo kely |  440 visites 

Tsy misy hery mijoro ho elanelam-panahy eto, ka izay no hijoroan’ny Fitarikandro. Lalana iray tsy azo hialana anefa io, izay hisoroana ny mety hitrangan’ny disadisa lava eto, ka vonona amin’izany ny antokoko hoy ingahy Ramarokoto Jean Aimé.

Tsy maintsy hirosoana haingana ny fametrahana ny fahamarinana sy ny fahamasinana fa tsy atao am-bava fotsiny. Io no lalana ahafahana miara-miasa miaraka fa tsy hanavahana mpanao politika na hery hafa. Raha mbola mitoetra io fanavahana io dia tsy handroso ity firenena ity. Nomeny tsiny mafy ny FFKM izay toa mitongilana hatrany fa tsy mijoro ho ray aman-dreny. Isan’io ny tamin’ny taona 1991 izay niandany tamin’ny hery velona. Mbola nitohy tamin’ireny raharaha 2002. Midika io fa tsy azon’ity antoko Fitarikandro ity ny hijoroany ho mpanelanelana. Tsy mitady seza anefa izahay fa ho ray aman-dreny hampifanantona ny hery rehetra hoy ingahy Ramarokoto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}