Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Moxe Ramandimbilahitra

Tsy nihemotra tamin’ny hevitry ny TEZA

samedi 31 mai 2008 | Naivo kely |  379 visites 

Hampanjakao eto amin’ny tanintsika ny teny Malagasy. Isan’ny fehin-kevitry ny antoko Teza hatramin’izay io, ary hitakiany ny hanaovana ny taratasim-panjakana rehetra ho amin’ny fiteny Malagasy. Miainga any amin’ny fokontany, ka mipaka hatrany amin’ny ambaratonga ambony.

Omaly raha nanao ny fihaonana mivantana tetsy amin’ny lapan’ny antenimieran-doholona etsy Anosikely ny mpikambana ao anaty Governemata sy ny loholona, dia mbola nanamafisany izany. Niainga amin’ny fanaovana ny tarasan’omby amin’ny teny Malagasy, mba hisorohana ny halatra omby. Efa notakiany hatramin’izay ny fananganana ny fitsarana ambony mba hitsara ireo mpitondra ambony eto amintsika. Ny ministry ny fitsarana dia namaly avy hatrany io omaly, fa efa misy taratasy heverina ny hananganana azy io eto amintsika.

Ny loholona Moxe Ramandimbilahitra dia hita fa nahazo vahana amin’ireo hevitra tapaky ny antokony tany aloha, ka ho entina ho tanterahin’ny mpanan-tanteraka. Iza tokoa no ilana ny fahazoana fahefana e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}