Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 09h58
 

Malagasy

Antoko TIM

Tsy propagandy fa famonjena

mercredi 27 février 2008 | Naivo kely |  321 visites 

Vita ny fitia tsy mba hetra, niroso tamin’ny famonjena ny traboina ny TIM. Tetsy amin’ny birao nasionaly mitantana ny fanampiana amin’ny loza voajanahary Antanimora no nanoloran’ny antoko TIM ny fanomezana ho an’ireo traboina farany teo. Vary, vola, fanitso, voamaina, savony, menaka. Ireo no anjara fanampiana ho an’ny mpiray tanindrazana nataon’ity antoko ity. Tonga nandray ireto fanampiana ireto ny Praiministra lehiben’ny Governemanta Charles Rabemananjara, ary ny birao Politikan’iTIM kosa no nanolotra izany izay notarihan’ny filohany. « Tsy propagandy fa famonjena ain’olona no ataonay », hoy ny depiote Louis Bernard. Manakaiky ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra, ary tao anatin’io no tonga ny rivo-doza tsy atao ny famonjena ka aoka hiavaka tsara ireny resaka ahely mandoto ny olona tsara sitra-po ireny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}