Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Fitadiavana asa

Tsy voatery hitana birao

mardi 8 juillet 2008 | Naivo kely |  1683 visites 

Tsy mahita asa, dia aleo mitaingina tamboho. Eo no manoko resaka mandram-paharivan’ny andro. Avy eo dia manao « mimi » any amin’ny Bar. Ireo matetika no hita ataon’ny tanora eto amintsika, satria tsy mahita asa hono. Ny asa ve no tsy misy, sa ny sasany no kamo ? Mazàna dia mipetraka ao amin’ny Malagasy ny haingidraingitra amin’ny asa izay ho ataony. Tsy hiasa amin’ny « Zone » izahay, fa sady kely karama no manandevo olona, hoy indray ny hafa. Toa ny miasa birao no tena heverin’ny sasany fa asa, ka raha tsy mahita an’io, dia mitongaigy no ataony. Betsaka ny asa mahavelona, raha tsy hiteny afa-tsy ny mamboly sy miompy. Eo ihany koa ny manao asa tanana, izay heverina fa manana ny lanjan’ny lehibe raha voakaly tsara ny asanao. Tsy ilaina famatsiam-bola betsaka, fa ny fahavononana no antony, ary ilaina ihany koa ny fikirizana. Raha misy tanora maromaro mitovy fomba fijery, ka miray hina manangana orinasa madinika, inona no sakana tsy hindramam-bola any amin’ny banky raha matotra ilay tetika ? Ny fambolena na fiompiana ihany koa dia asa tsara, fa tsy asa ambany. Ny tsapa, dia maro no kamo, ka mbola manantena ny haren-draiamandreniny lava izao. Misy mihitsy ny te-hanankarena nefa tsy misasatra, izay mazana, mitarika any amin’ny famoronana andian-jiolahy mahery vaika eto amintsika. Ny rendrarendra ihany koa anefa dia tsy afaka amin’ny Malagasy sasany, ka ho gaga ve ny maro raha mahita ireny filibàna mamoafady ataon’ny tanora sasany ireny ? Ny fahatanorana hono tsy handalo firy amin’ny fiainana, koa hararaoty ny fihariana mamoron-javatra, sao hilaozan’ny andro milentika eo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}