Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Vao manomboka dia loza

vendredi 25 janvier 2008 | Naivo kely |  726 visites 

Hamarana ny volana Janoary tsy ho ela isika izay volana azo hitarafana fahavononana ho an’ny firenena eo amin’ny lafiny fahasalamana, na biby fiompy izany indrindra moa fa ny olona. Vao manomboka dia loza no hita raha raisina teo amin’ny fahavoazana nanjo ny mponina mpiompy omby ka nahafatesana ity maro vokatry ny dinta sy ny kongona. Maro ny fatiantoka ho an’ny tantsaha mpiompy manoloana izany, satria tsy maintsy alevina avy hatrany ireto biby ireto. Toy izany koa ireo osy nafaran’ny filoham-pirenena izay nahitana fahavoazana ary maro ny maty, izay fatiantoka ho an’ny mpanafatra ihany koa, satria lafo ny vidin’izy ireny. Ny nanjo ny olona sasany tany Manjakandriana ihany koa dia ny nisian’ ny pesta, izay nahafatesana olona. Soa fa nalaky nandray ny andraikiny ny vahoaka sy ny ministeran’ny fahasalamana ka tsy dia niparitaka firy izy io. Ary farany izay hanaovana ezaka goavana ihany koa dia ny fanafihan’ny parasy lafrika, ka ny 80% ny zaza madinika any Toamasina II dia tratran’io avokoa. Nisy ihany koa ny maty voakatr’ io, ary efa mandray an-tànana ny raharaha ny hery velona rehetra hamongorana azy. Soa aloha fa tsy dia namaky vala ny oram-baratra izay nampitondra faisana ny maro ny faramparan’ny taona iny ka nahatonga ireny tra-boina maro teto an-drenivohitra ireny, izay mbola niteraka fahavoazana ho an’ny mponin’ny faritra iva. Ho lasan’izay ny ratsy rehetra, hoy ny fomba fiteny, satria miteraka hakiviana amin’ny maro ny fahavoazana toy izao, indrindra fa hambara fa ho taonan’ny asa ity taona 2008 ity, ary hitoetra ihany koa ny fifanomezan-tànana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, mba tsy handeha ila ny tena fampandrosoana mirindra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}