Mbola ao anatin’ny fialan-tsasatra tanteraka ireo depiote eny Tsimbazaza amin’izao vanim-potoana izao. Mandra-piandry ny fotoam-pivoriana voalohany ny volana mey ho avy izao nefa dia manana andraikitra goavana, dia ny fidinana eny anivon’ny vahoaka ireto depiote ireto. Amin’izany no anaovany ny tatitra amin’ny vahoaka isaky ny faritra naha-voafidy azy. Toa tsy handrenesam-peo anefa itony depiote itony amin’ny fanaovana io tatitra io, izay làlana iray ahafahan’ny vahoaka maneho ny hetahetany. Hiditra amin’ny fanaovana ny fampielezan-kevitra isika manomboka ny volana marsa izao, ary mazava ho azy fa samy hanohana ny antoko nihaviany avy ireto depiote ireto. Ao anatin’izany fampielezan-kevitra izany ve vao hanao tatitra izy ireo, hoy ny vahoaka mpifidy, sa dia efa nadio ny rano nitàna, ka samia mihonona any amin’ny tokan-tranony avy ? Aoka tsy ho variana ny depiote, satria ny andro iray hilana ny mponina no tsy laitra. Koa ataovy ny tatitra fa liana ny rehetra, indrindra fa efa ambara ho miainga ifotony izao ny fampandrosoana. Sa taom-boanjo izy ireny ka rehefa vita ny ilana azy dia atsipy ?
Variana ny depiote
mercredi 13 février 2008 |
| 530 visites