Manomboka mandray ny asany ireo ben’ny tanana vao voatendrin’ny lalàna farany teo. Miisa enina izy ireo, ary nampita ny faneva kosa iretsy ben’ny tanàna ndao ny toerany. Ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana no namoaka ny didy tamin’ny herinandro lasa teo.
Tsy azo atao ambany maso tsy hita fa efa nosalorana ny samboady maha-ben’ny tanàna azy ireto vao nandao ny toerany ireto. Nandeha nifidy ny loholona ihany koa izy ireo, ary mbola nahazo fiofanana nandritra ny roa andro tetsy Iavoloha ihany koa izy ireo.
Tsapan’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana fa tsy ara-dalàna ny naha voafidy azy ireo ka niroso tamin’ny fanitsiana izany ireto farany.
Voafidin’ny olom-boahongana izany ny loholona sasany raha izao no fandehany. Ny antony dia mety nanana ny safidiny ireto ben’ny tanàna vaovao ireto raha izy ireo no lany mialoha, satria iharahana mahita fa avy amin’ny tsy miankina avokoa ireto tafakatra nibata fandresena ireto.
Mety hisy ny hilaza fa tsy hampiova zavatra izany, nefa mba mety tsy ho hita taratra kosa ilay fandresena 100% isaky ny faritra.
Izay no ilàna ny fani-tsiana ny lalam-pifidianana mba hisorohana ny toy izao. Ny Praiministra lehiben’ny Governemanta moa iny efa nilaza fa ny fampandrosoana aloha izao no maika fa tsy ny fanovàna ny lalàm-pifidianana izany. Ny fanontanian’ny maro dia ny hoe fa angaha tsy azo navoaka mialohan’ny fifidianana loholona iny didin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana iny ?