Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Filaminam-bahoaka

Voaroaka ny efi-trano ny mpanao gazety

jeudi 19 juin 2008 | Naivo kely |  910 visites 

Nasaina nefa noroahina indray avy eo. Io no nahazo ny mpanao gazety saika hiatrika ny tatitra nataon’ny ministry ny Fiarovam-pirenena sy ny teo anivon’ny Polisim-pirenena misahana ny filaminam-bahoaka ny talata teo. Ny antony, dia voalaza fa saro-pady ity resaka filaminana ity, ka tsara raha hidina ho an’ny loholona sy ny ministera ihany ny varavaran’ny antenimieran-doholona io talata io. Maro ny tsiambara-telo tokony tsy hivoaka angazety, indrindra amin’izao fakana ambava manamboninahitra maro voatohitohina momba ny fanonganam-panjakana izao. Mitohy ny fakana ambavany azy ireny, izay niarahan’ny rehetra nahita fiakarany teny anivon’ny fampanohavana tetsy Anosy. Raha atao indray mijery izao fanakatonam-baravarana atao amin’ny mpanao gazety izao, dia hita fa mbola maro ny raharaha tsy milamina momba ity tontolon’ny fandriam-pahalemana ity, saingy izay ve no heverina fa hampilamina ny tany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}