Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Kambana miraikitra

Vonona ny mpandidy

mercredi 2 juillet 2008 |  1425 visites 
Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana.

Asa goavana no hiandry ireo mpitsabo ao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Tsy inona izany fa ny mety ho fandidiana ireo kambana miraikitra raha toa ka izay no fanapahan-kevitra raisin’ireo mpitsabo. Nilaza ny fahavononany ny Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana, mpitarika azy ireo. Toy izao ny resaka nifanaovana taminy.

Madagascar Tribune : Efa eto amin’ny hopitaly ireo kambana miraikitra ankehitriny. Matetika dia fandidiana no hatao amin’ny trangan-javatra toy izao. Inona no azonao ambara ?

 Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana : Efa mivonona ho amin’ny fandidiana izahay. Izaho amin’ny maha-lehiben’ny Sampandraharaha miandraikitra ny fandidiana ankizy eto anivon’ny hopitaly dia mpitarika fotsiny ihany. Fa ny asa dia ny hopitaly iray manontolo no hiandraikitra azy. Tiako ny manamarika fa mbola misy fitiliana maro samihafa atao vao afaka mandray fanapahan-kevitra raha azo irosoana ny fandidiana.

Manana ny ampy ve isika eo amin’ny fitaovana ?

 Sarotra ny hilaza fa manana ny ampy toy ny fahita any amin’ireny firenena efa mandroso ireny isika. Ny azoko ambara dia ny fitaovana rehetra misy ato amin’ny hopitaly dia hampiasaina avokoa.

Amin’izao fotoana izao, inona no asa tanterahinareo mpitsabo amin’ireo kambana miraikitra ?

 Eo am-panaovana ny fitiliana isan-karazany izahay izao. Voalohany aloha, tsy maintsy fantarina ao anatin’io fitiliana io raha miasa tsara sy ara-dalàna avokoa ny taova eo amin’izy mirahalahy. Faharoa, fantarina ihany koa amin’ny alalan’ny fitsirihana ilay taova iombonan’izy mirahalahy ka mampiraikitra azy. Ankoatr’izay fitiliana izay dia manao izay fomba hampahatanjaka sy hahazoany lanja izahay.

Rehefa fantatra io taova iombonana io, inona no ataon’ny mpitsabo ?

 Aorian’ny fanadihadiana medikaly rehetra dia mipetraka ny fanontaniana aminay mpitsabo raha toa ka azo tanterahina ny fandidiana.

Raha jerena ety ivelany, faritra aiza eo amin’ny vatany no hita miraikitra ?

 Eo amin’ny kibo sy ambonimbon’ny kibo. « Thoraco-abdominal » moa no tena iantsoana azy eo amin’ny sehatry ny fitsaboana.

Manao ahoana ny fahasalaman’izy mirahalahy ?

 Salama tsara izy ireo. Ny minisiteran’ny Fahasalamana no miantoka manontolo ny fandraisana an-tànana azy.

Nangonin’i Herimanda R.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}