Articles écrits par « Hery A. »
-
« Tanora sahy sy vonona »
samedi 26 avril 2008 |
Hery A.
| 566 visites
Mijoro ankehitriny ny fikambanana « tanora sahy sy vonona » ka hiantsehatra eo amin’ny raharaham-pirenena. « Mety ve ny fitantanan’ny mpitondra firenena ankehitriny ? » Io no fanontaniana angatahan’ity fikambanana ity hanaovana fitsapankevi-bahoaka. Ataovy ny fitsapankevi-bahoaka hoy ny fikambanana mba hirosoana haingana amin’ny fampandrosoana. Fikambanan’ny tanora manana fahavononana, manohana an’i Andry TGV ity « TSV » ity. Atoa Mamonjisoa Isaak no filohany.
Hatramin’izao dia mbola afaka (…)
-
Tanora vonona Analamanga
jeudi 24 avril 2008 |
Hery A.
| 362 visites
Tamin’ny faha 4 aprily 2008 no nankatoavin’ny fanjakana malagasy ny fijoroan’ny fikambanana « Tanora vonona Analamanga » na ny TVA. Fikambanana tanora tsy mirona amin’ny foto-kevitra politika ny TVA izay tarihan’Atoa Guy Maxime, ben’ny tanànan’Ankaraobato, eny amin’ny distrikan’atsimondrano. Omaly tolakandro no nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety ity fahazoan-dàlana ity ka voatsipika fa ny sehatry ny famolavolana tanora ho amin’ny fampandrosoana no tarigetrany. Tsapa mantsy hoy ity (…)
-
67 ha
mercredi 23 avril 2008 |
Hery A.
| 931 visites
Toy ny toerana fanaovana lavanty eto amin’ity toerana, amoron’ny lakan-drano etsy 67 ha, amin’izao fotoana izao. Hita eto avokoa ny entana rehetra mahakasika ny tokan-trano sy lakozia.
Taona vitsy tokoa izay no nitaran’ity tsena ity, raha fivarotana lamba sy entana madinidinika teny am-piandohana. Manomboka amin’ny sotro sy vilia ny entana hita eto, miakatra amin’ny fitafiana isankarazany. Mampiavaka azy anefa ny entana rehetra izay efa nampiasaina. Vilany, vata fampangatsiahana, (…)
-
Fitaterana an-drenivohitra
mardi 22 avril 2008 |
Hery A.
| 610 visites
Manao ny ataony indray ny taxi-be eto an-drenivohitra eto izay toa baranahiny ka manaram-po. Isan’andro dia andrenesana fitarainana ny fomba fiasan’ireo taxi-be, izay zary mahazatra ny mandre azy ka tsy mahataitra firy. Ny andro alahady kosa no ahitana ny fomba ratsy ataon-dry zalahy. Tamin’ny alahady teo dia fiara taxi-be maromaro no saika nitera-doza, izany hoe mandram-paharivan’ny andro dia tandindonin-doza hatrany ireo mpandeha. Mamo ny mpamily sy ny resevera ka mifanenjika amin’ity (…)
-
Lycée privé ACEEM
jeudi 17 avril 2008 |
Hery A.
| 586 visites
Voafidin’ny minisiteran’ny kolotsaina hanatanterahana fampirantiana ny tantaran’atoa Rabemananjara Jaques ny lycée tsy miankina ACEEM etsy Ankadivato, ka nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly maraina teny Ankadivato izany. Ny delegen’ny sampan-draharaha misahana ny taozavatra sy kolotsina ao amin’ny minisitera, atoa Julien Rakotonaivo no tonga teny an-toerana ka nanome ny toromarika sy ny antony nanaovana ity hetsika ity. Mpianatra miisa 450 ao amin’ity lyscée ity no kendrena (…)
-
Orinasa afakaba
mardi 15 avril 2008 |
Hery A.
| 456 visites
Tao ho ao dia maro ny orinasa afakaba nampiato ny mpiasa ao aminy. Saika tera-tany vahiny moa no mitantana azy ireny ka sedrain’ny tsy fandrosoan’ny tsena tampoka ka voatery nandroaka mpiasa.
Amin’ny ankapobeny hoy ireo mpiasa amin’ny orinasa afakaba, dia efa ampoizina ihany ny mety hisian’ny fampiatoana. Manaporofo izany ny tsy fikarakarana ny antontan-taratasy maha mpiasa raikitra an’ireo ankizy naato. Raha efa iaraha-mahalala ny fiainan’ny mpiasa ao anatiny ao, izay saika ahazoana (…)
-
Fifamoivoizana eto an-drenivohitra
samedi 12 avril 2008 |
Hery A.
| 434 visites
Mitohy ny fanadiovana ataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, ka ny famoahana lalàna mahakasika ny fifamoivoizana indray no imasoana. Efa resa-be teto an-drenivohitra ny lalànan’ny fifamoivoizana saingy toa niha goragora indray taorian’ny nandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny toerana. Asa aloha izay antony, fa niaraha-nahita ny sakatsakana, saingy efa nampoizina hatramin’ny nanaovana propagandy izany. Na izany aza dia nahazo famatsiam-bola ny kaominina.
Tsy nasian-dresaka aloha ny (…)
-
Andevoranto - Brickaville
jeudi 10 avril 2008 |
Hery A.
| 1033 visites
Tamin’ny alatsinain’ny Paska lasa teo no natsangana ho Tangalamena ao Andevoranto, anatin’ny distrikan’i Brickaville, Atoa Zakariasy Patrick, 39 taona, taranaka faha 4 ao amin’ny firazanan’i « KIRITIKA » sy « BIDIHILY » ary « Mpanjakalava » izay nanjaka tamin’ny taona 1858, tao Andovoranto.
Nandritra ny roapolo taona no banga io toeran’ny Tangalamena io ka nahatonga ny ray aman-dreny tao an-toerana nanao ny hevitra, ka nanendrena an’i Zakariasy. Tamin’ny taona 2005 no efa nandefa ity (…)
-
Marais masay
mardi 8 avril 2008 |
Hery A.
| 696 visites
Tsy ahitana vahaolana mihitsy ve ny famongorana ireo mpaka trondro eo amin’ny ranon’ny Masay ireo e ? Io no ady hevitry ny olona eny ambonin’ny fiara fitaterana, indrindra ny amin’ny zotra mandalo eny amin’iny faritra iny. Tazan-davitra ireo mpaka trondro, na andro na alina. Lakana maromaro mihitsy no miasa eo. Tamin’ny voalohandohany, taoriana kely izay nahavitan’iny làlana vaovao iny moa dia amin’ny andro alina no maka trondro ry zalahy. Alentiny ao anaty rano ny lakana amin’ny antoandro. (…)
-
Bongolava • CFA « Centre de formation et d’appui »
lundi 7 avril 2008 |
Hery A.
| 767 visites
Nanomboka tamin’ny taona 2000 hatramin’ny taona 2007 no nanatanterahana ny tetik’asa fametrahana ny tanora mpandraharaha amin’ny tontolo ambanivohitra tamin’ny alalan’ny tetik’asa PROJER « Projet des jeunes ruraux », eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono.
Ao anatin’ny ezaka fiovana maitso maharitra ny tetik’asa ka miompana amin’ny fanitarana ny faritra hamokarana ny fiofanana rehetra. Io no nambaran’ny tale jeneralin’ny CFA, atoa Randriamanantsoa Jafetra (…)
-
ROTARY Club Ainga Antananarivo
samedi 5 avril 2008 |
Hery A.
| 336 visites
Mitohy ny asa sosialy sahanin’ny fikambanana « ROTARY club Ainga Antananarivo » ka hiditra amin’ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « Asako rahampitso » ny fikambanana. Hetsika manokana hanampiana ny mpianatra eny amin’ny lycée izy ity ka ny tanjona dia hanokatra ny sain’ny mpianatra amin’ny tsenan’ny asa. Ny fikambanana ROTARY no hiantoka ny mpanabe hitondra ny fanazavana ka ao anatin’ny ora fianarana no hakàna ora iray hanatanterahana ny fampianarana. Ireo lycée miisa 7 eto (…)
-
jeudi 3 avril 2008 |
Hery A.
| 1079 visites
Miparitaka eto an-drenivohitra indray ny trondro maloto amin’izao fotoana izao. Saika ny faritra rehetra, na mihaja na tsia no ahitana ireny trondro ireny. Azo antoka avy hatrany fa tena maloto ireo trondro, indrindra izay tetsy Anosibe omaly izay. Itangoronan’ny lalimanga ny entana. Tsy miafina ny maha trondro maloto azy, ampian’ny filazan’ny mpivarotra hoe trondron’Itasy sy Ambatondrazaka io. Tsara anefa ny mamaritra fa ny trondro avy any Itasy sy Alaotra dia miavaka. Tsy misy trondro (…)
-
Antongo
jeudi 3 avril 2008 |
Hery A.
| 677 visites
Banga iray ny mpifidy vaventy amin’ny fametrahana loholona hatao atsy ho atsy. Naiditra am-ponja tamin’ny talata hariva teo mantsy ny ben’ny tananan’Antongo, anatin’ny distrikan’ny Morombe. Araka ny vaovao azo dia fampiasana ny dina tsy nankatoavin’ny fanjakana sy ny fitsarana no maha voarohirohy ity ben’ny tanana ity.
Etsy andaniny anefa dia nanambara ny mpiahy ny TIM any an-toerana fa bengy an’ity ben’ny tanana ity ihany no nisy nangalatra ary nampiharana ny dina.
Tsy mijanona eo ny (…)
-
« 4MIS » eto an-drenivohitra
mardi 1er avril 2008 |
Hery A.
| 661 visites
Nalaza ny hetsiky ny kaominina Antananarivo renivohitra teo amin’ny fanangonana ireo olona mpatory an-dalam-be teto an-drenivohitra. Indroa miantoana no nanaovana ny hetsika, ka olona mahantra an-jatony no noraofina. Tsy nampilazàna moa izy ireo, sao dia miafina ka tratran’ny sarika am-pandriana ny ankamaroany. Nentina teny Anosizato ka tezaina amin’ny akany mandritra ny 21 andro. Arakaraka ny fanadihadiana no hanaparitahana azy, ka ao ireo alefa mody any amin’ny tany niaviany, ary ao kosa (…)
-
Minisiteran’ny Tontolo iainana, Rano sy Ala ary Fizahan-tany
jeudi 27 mars 2008 |
Hery A.
| 249 visites
Sampan-draharaha fahatelo amin’ny fiantohana ny fidiram-bolan’ny fanjakana ny minisiteran’ny tontolo iainana, rano sy ala, ary fizahan-tany. Manana asa betsaka indrindra ao amin’ny MAP izy arak’izany, ka amin’izao ivon’ny fanatanterahana ny MAP izao dia nametraka paik’ady vaovao ny minisitera. Nomarihana nandritra ny fihaonamben’ny mpiasan’ny minisitera, ny teny ampiasaina iantsoana ny minisitera, dia ny MEEFT na « ministère de l’environnement, eau et fôret et du tourisme ».
Hameno ny (…)
-
Faratsiho
vendredi 21 mars 2008 |
Hery A.
| 763 visites
Lehilahy iray 50 taona no maty irery tao anatin’ny lakan-drano tao Faratsiho, anatin’ny faritra Vakinankaratra. Tamin’ny talata no hita ny fatin’ity lehilahy ity. Voamarika araka ny vaovao azo fa vokatry ny hasemporana sy havizanana no nahafaty an-drangahy. Ankoatr’izay dia ankizy vazaha anankiroa no nilatsaham-baratra, tao Faratsiho ihany. Nilatsaka teny amin’ny tapenaky ny trano ny varatra ka namaky ny rindrina ary niantefa teny amin’izy mianadahy. Maty tsy tra-drano ilay zazalahy fa ilay (…)
-
Antsirabe
mercredi 19 mars 2008 |
Hery A.
| 556 visites
Miha miverina amin’ny laoniny ny fetin’ny Paska ao Antsirabe. Tsiahivina fa nalaza indrindra teto Madagasikara ny tao Antsirabe isan-taona. Nanomboka nosangisangian’ny raharaha politika anefa izany taorian’ny taona 1985 tany ho any ka zary tsy nahatamàna ny mpitsidika intsony.
Be politika
Nihapotika ny tanàna. Tsy nahatanteraka ny adidiny ny mpitondra nifandimby. An’ny Arema moa ny tanàna tamin’izany fotoana izany ka anjaran’ny malagasy no mitsara ny fitondràny. Niha nahantra ny (…)
-
Fanondranana biby an-tsokosoko
mardi 18 mars 2008 |
Hery A.
| 406 visites
Kesika miisa 3 nisy biby naondrana an-tsokosoko no niainga teto Madagasikara, ary sarona tao Afrika atsimo tamin'ny sabotsy teo. Araka ny vaovao azon'ny minisiteran'ny rano sy ala dia ompiana ao amin'ny valanjavaboahary iraisam-pirenena ao Johanesbourg ireo biby sisa velona tamin'ireto naondrana an-tsokosoko ireto. Tao amin'ny seranam-piaramanidina any an-toerana no nahasaronana ny entana. Kesika miisa 3 no nisy ireo biby, namofona maimbo be ka voatery nosokafana. Biby toy ny tanalahy, (…)
-
BNGRC
mardi 18 mars 2008 |
Hery A.
| 665 visites
Manao ranolava ny fanaterana fanampiana ho an'ny traboina etsy amin'ny biraon'ny sampan-draharaha miahy ny loza voajanahary na ny BNGRC. Omaly hariva no tonga nanatitra ny anjara birikiny ny « groupe SIPROMAD ». Vola mitentina ar 100 tapitrisa no natolony tamin'izany ka voatsinjara avy amin'ny « Fondation AKBARALY » ny ar 75 tapitrisa, ary nampian'ny Sipromad ar 25 tapitrisa. Ho an'ny traboina vokatry ny rivo-doza nisesisesy ireo fanampiana. Ankoatry ny fiahiana ny traboinan'ny loza (…)
-
Tontolo iainana • PGDRN
lundi 17 mars 2008 |
Hery A.
| 295 visites
Natao teny amin’ny NLIM Iavoloha nanomboka tamin’ny faha 12 martsa hatramin’ny faha 14 martsa ny atrik’asa momba ny « Programme de gestion durable des ressources naturelles », na PGDRN. Ny firenena Alemana, amin’ny alàlan’ny GTZ sy ny KFW no nanolotra ity programa ity. Manomboka amin’ity taona ity, hatramin’ny taona 2011 no ampiharana ny tetik’asa izay vatsiana vola 12 tapitrisa Euros.
Ny tanjona amin’ity dia ny hampihenàna ny fitrandrahana ala, indrindra ireo atao arina (…)