Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 17h40
 

Répondre à un commentaire

18 mai à 09:52 | Vohitra (#7654)

Manankarena I Madagasikara ary mivelona mahantra eo ambony harena ny Malagasy.

Vaovao amin’ny sofina ve ny fahenoana izany teny izany ?

TSIA, efa faheno matetika izany !

Dia tonga ho azy teo ny teny manao hoe :

« Aza mamitaka ny tena amin’izany fa ny asa ihany no maha velona sy miteraka harena »...

« Fa angaha io harena io tonga ho azy eo raha tsy misy ny vola sy ny fahaizana ary ny fitaovana hitrandrahana azy »...

Ireo teny ireo no nentina nanapempo sy nampionona ny Malagasy, ary nampanginana ny faniriana ho sambatra sy hisitraka ny harena misy eo amin’ny Malagasy.

Fa iza no namoaka sy nivoy ireo teny manafintohina ireo ?

* ireo mpitondra fanjakana sy mpanao politika fetsifetsy sy kapotsaka

* ireo avarapianarana sasany mikasa ny hampiasa ny fahaizany ka mihevitra ny hiray saina sy tombontsoa amin’ny vahiny mba higoka voalohany ny tombontsoa ateraky ny fitrandrahana ny harena misy eto

* ireo Kandida mpanao politika mitady famatsiana ara-bola ny propagande any amin’ny vahiny ary manao sorona ny harena Malagasy mba hahazoana ny fahefana politika.

Roa ihany no tanjona ho an’ireo sokajy telo manapempo sy mamitaka ny vahoaka Malagasy ireo :

1- ny harena iombonana eo amin ny Malagasy no heveriny hahitana tombontsoa manokana ho azy

2- ny harena iombonana Malagasy no heveriny atao antoka mba hahazoany vola hoentina hanaovana propagande mba hahazoana ny fahefana manapaka eto amin’ny Firenena.

Fehiny :

Tsy ho afaka hahafantatra sy hisitraka ny harena misy eo aminy mihintsy akory ny Malagasy raha tsy mazava sy avy hatrany dia azo ampiharina ny « mangarahara » (transparence de la vie publique) eto amin’ny Firenena sy ny fanjakana.

Vahaolana :

1- mila fantatry ny vahoaka ho mangarahara ny harena sy vola ary fananana eo amin’ireo Kandida rehetra hilatsaka ho Filoha, sy manampahefana eto amin’ny Firenena (declaration de patrimoine accessible a la conna du public)

2- tsy maintsy ampahafantarina ny vahoaka ho mazava ny loharanom bola (source de financement) amin’ny fampielezankevitra rehetra ataon’ny Kandida rehetra mihevitra ny ho fidiana hizaka fahefana eto amin’ny Firenena.

3- mipetraka mazava ny sazy henjana ampiharina avy hatrany ho an’ireo rehetra tsy manaja ireo fitsipika anankiroa voalaza eo ambony ireo.

Ny fitsarana Malagasy no avy hatrany dia mandray Didy maika ho fampiharana ireo Didy telo ireo fa tsy ny HCC ary tsy ny BIANCO.