Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 01h43
 

Répondre à un commentaire

3 juin à 12:21 | Vohitra (#7654)

Filamatra ho an’ny Repobilika fahefatra :

Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana.

Iza moa no nametraka sy nivoy ity Repobilika fahefatra ity ?

Ny fitondrana ankehitriny taorian’ny fanonganam-panjakana notanterahany ny taona 2009.

Fitiavana inona ary io voiziny io ?
Revy sa fieboeboana, vola sy harena, fankahalana sy fitsiriritana, fisavihana tantara sy fanandratana soloky, fitiavantena sy famotehana Firenena.?
Ny zavamisy ankehitriny dia manambara mazava ny valin’ireo rehetra ireo...

Tanindrazana inona indray ary ?
Fa aiza ny tanindrazany ? Any Frantsa sa any Sahamadio ? Sa heveriny ho any Dubai.?
Aminkitsimpo tanteraka no nangatahany ny zompirenena frantsay, ny rainy moa miaramila frantsay taloha, ny raibeny efa tany amin’ny faha-zanatany tamin’ny 1932 no efa frantsay, ary ny ankohonany iray manontolo no efa mizaka ny zompirenena frantsay daholo. Ny lalana velona no efa voahitsaka sy voahosihosy tanteraka.

Fandrosoana indray ve ?
Mandroso ho aiza ny 80 % fadiranovana amin’ny mponina Malagasy ? Mandroso ho any amin’ny fahantrana tanteraka sy ny fahafatesana... Noana, fahasalamana marefo, fidirambola tsy azo antoka sy tsy zarizary, tsy filaminana sy tsy fandriana fahelemana, tsy misy mihintsy fivoarana ara-piarahamonina.

Inona no Fehiny ?

Feno fitaka ny tany.!
Fitaka miavosa ataony mahajemby.
Fitaka tsy miato, fitaka Isanandro. Lainga zavontany. Tsy natao ho refesina mandidy.

Angoantenda sisa !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}