Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Affaires Ambohimalaza et Boeing 777 : un tournant dans l’espace public - Bonjour à tous,
Merci à Ikala Paingotra d’ avoir épingler ;) toutes ces (…)
Yet another Rabe - Affaires Ambohimalaza et Boeing 777 : un tournant dans l’espace public - Manque pas de culot Cedric Vazaha :
https://www.facebook.com/100070418583095/p
MALIBUC - Affaire des Boeing 777 : deux personnes arrêtées - Il ne manque pas de culot Cedric Vazaha :
https://www.facebook.com/10007041858
MALIBUC - Affaire Base Toliara : huit personnes interpellées dont Elia Rabevahiny, président du parti Otrikafo - La création de milices est devenue le mode opératoire du régime, en faisant (…)
Vohitra - Ramonjavelo : un limogeage tactique - Re-,
Allez, voilà un petit jeu de mots pas vraiment innocent de la part de (…)
Yet another Rabe
{#URL_PAGE{archives}}
Ry Malagasy havana, na ny eto antoerana na ianareo any dilambato anivo sy ankoatry ny riaka,
Tonga eo amin’ny kihon-dalana sy kizo ny fiainampirenena sy ny fiarahamonina Malagasy ankehitriny.
Ny fitiavantena miaro fitiavana harena maloto no tena fototry ny fahavoazana mankadiry. Tsy ny vahoaka Malagasy no tompon’antoka amin’izay nefa.
Miaro ny « aina » sy ny fahavelomana sisa no fara hery ho an’ny vahoaka, ilay fanjakana mba nianteherana efa niofo ho voay sy bibidia tsy niaro intsony ny maha olombelona manan’aina sy kitro ifaharan’ny Firenena.
Lavo ny Malagasy, tritra ny fiarahamonina, voahosy ny soatoavina, voaota ny rariny sy ny hitsiny, aroso atao antoka ny Tanindrazana sy ny harenampirenena.
Ny fiandrianampirenena sisa no tandrovana mba fitsinjovana ny aina. Io no lova sy hafatra nomen’i Zanahary ny olony.
Nomen’i Zanahary anao ny Air Madagascar, aiza izy izao ? Ny SOLIMA, BFV, BTM, BNI, ROSO, COROI, SICE, SOMACODIS, FIFABE, SOMALAC, SAMANGOKY... torak’izany !
Raiso ny andraikitra ry Malagasy, tsy ny mpiara-belona na ny mpiray tanindrazana no androsoana ady, fa ireo tsy maty manota.
Ireo tsy maty manota mangalatra, mampidi-trosa mamoafady, mivarotra ny Tanindrazana, mamitaka sy mamotika ny harenampirenena Malagasy.
Zanahary o, tahionao ny Tanindrazanay.