Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Ambohimalaza, Ambositra, Ikongo, Mahajanga, Toliara...very faty any andranomasimbe.
Aina nafoy, fisarahana mangidy, fandaozana tsy satry, nofo nandao tsy hiverina intsony...
Fikatsahana fitoniana sy fankaherezana ve ?
Sa mbola angoantenda sy fampandriana adrisa toy ny efa fahita sy mahazatra hatrany ?
Ny marina dia ny marina irery ihany, ilay marina hikatsahana ny rariny sy hanandratra ny hitsiny, izany no efa nandraisana hatry ny ela... saingy indrisy !
1- Inona no fototr’izao fahafatesana mihanaka sy nitranga izao ?
2- Iza no tompomarika sy tomponandraikitra amin’ny fahafatesana ?
3- Ahoana no endrika sy fitrangan’ny fihitaran’ny fahafatesana niseho ?
Efa iray volana mahery aty afara ve dia mbola tsy mitranga ihany ny marina ?
Fa maninona no totofana sy rakofana tsy hitranga ny marina ?
Hamokatra tantara antsehatra indray koa ve ?
Tsy adino ny hoe « ny razana eo ambohitra, ny ranomaso mijohy, nefa ianao mankalaza milanonana anaty hazavana sy feo, sanatria toa mandatsa ireo niharam-boina... »
Ho anay Malagasy, izahay saropiaro amin’ny soa notoavina, ny voin-kavana mahatratra...
Ampy izay e...efa feno izay vitanao...efa feno ny alahelo sy ratrampo...
Ampy izay !