Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
I Richard Ravalomanana, filohan’ny Antenimierandoholona, no mametraka ho anaty loza ny Repoblika. Ilay tokony ho mpiaro ny rafitra, no nampiditra mpanao trafika iraisam-pirenena ao anaty foiben’ny fahefam-panjakana. Mpitarika ambony, manana traikefa amin’ny fitsikilovana sy fiarovana anatiny, noheverina fa olona ho afaka manavaka izay mitondra loza ho an’ny firenena sy izay azo atokisana. Fa inona no zava-nisy ? Khushwinder Singh, Indiana, no tendreny ho mpanolontsaina, tsy manana andraikitra ofisialy, niara-niseho taminy tamin’ny fivoriana lehibe, nanana fidirana tao amin’ny Antenimierandoholona, ary ankehitriny voarohirohy amin’ny fanampiana ny tambazotran’ny fiaramanidina Boeing 777 an’ny Mahan Air, kaompania iranianina voasazy iraisam-pirenena. Ary hisy fiantraikina ratsy ho any ny Firenena malagasy mihitsy. Fiketrika maloto, atao ambadika, ahafahan’ny kolikoly miditra anaty rafitra. Famadihana ny firenena. Richard Ravalomanana ? Nijery fotsiny. Na koa niara-niasa.Tsy vitan’ny hoe navelany hanao ny danin’ny fony ilay olon-dratsy, fa mbola niaro tena tamin’ny fanilihana andraikitra. Ny fandroahana an’i Singh dia fialokalofana, fanakonana ny tena olana. Miala ianao ry Richard Ravalomanana.