Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 13 décembre 2025
Antananarivo | 21h42
 

Répondre à un commentaire

13 décembre à 13:02 | Vohitra (#7654)

Ho ahy, monina sy mitoetra ary mivelona eto Madagasikara, dia tsotra sy mazava no handrasako amin’ny rafitra tetezamita izay mijoro sy mbola hijoro.

1- tsy hiriaria sy tsy ho afa-maina intsony ireo tsy maty manota rehetra nandroba nangalatra sy namono olona teto amin’ny Firenena hatrizay.

2- madio sy mangarahara ary azo hitokisana ny fifidianana rehetra amin’ny ho avy atao eto Madagasikara.

3- tsy hivangongo intsony eo amin’ny olon tokana ny fahefana sy ny fanapahana eto amin’ny Firenena, ary tsy miainga intsony avy eo amin ny Faritra na Faritany iray irery intsony ny fandraisana fanapahankevitra hampandrosoana ny Firenena.

Ireo telo ireo ho ahy no vokatra handrasako amin’ny tetezamita.

Fanovana rafitra sy fanovana fomba fiasa, ary fanovana miainga avy ifotony mihintsy no ilaina, ary fanorenana ifotony manomboka any amin’ny Fokonolona no apetraka.

Tsy fanamboarana fotodrafitrasa na koa fampanantenana tetikasa no handrasako amin’ny tetezamita, aleo hipetraka ho andraikitry ny olomboafidy rahampitso aorian’ny tetezamita izany.

Tsy tokony hisy intsony rafitra sy fomba fiasa izay nahafahan’i Rajoelina sy Ntsay ary Ravatomanga namotika sy nanimba ny Firenena Malagasy.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}