Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Zao ary e,
Rehefa misy fiezahana fitiava tanindrazana daholo fa tsy fitiavan-tena sy fanaovana kolikoly fanodihodinana ny vola mbahoaka ny malagasy dia mora ny mampandroso an’i madagasikara.
Ity misy ohatra kely atolotro, kely izy io nefa mandroba ny firenena, ary mialatsiny fa hiresaka ny zavatra nianako sy hita ny masoko aho :
– rehefa misy fotodrafitr’asa hatao mba ho sitrahin’ny vahoaka any atsimo, dia misy malagasy mibahana ka miteny hoe : tsy mendrika an’ny zareo any a tsimo ity asa ity fa tonga dia adabohy any. Sady alainy ho azy angalariny ilay vola....
– Na koa ataony ihany ilay fotodrafitr’asa fa tsy tomombana, tsy zarizary, izany hoe, tsy ataony amin’ny tokony ho izy fa atao kitoatoa fotsiny, dia alainy ndry zareo hoatr’izay fotsiny ny vola, angalarin-dry zareo mpanatosana ny asa sy ireo tompon’asa.
Ny fanjakana kosa anefa sy ireo mpiasa ambony natao hanaramaso ny asa, tsy miraharaha akory satria be loatra ny kolikoly...
– jereo ireo tany lavitra andriana, sy ny any ambanivohitra, indrindra ny any amin’ny faritra atsimo sy Atsimo-Andrefana iny, tsy misy miraharaha an’iny faritra iny akory ny fanjakana, indrindra fa ireo ankizy tsy misitraka ny ZOny, satria tsy mianatra noho ny tsy fisian’ny sekoly fanabeazana mirindra ho azy ireo ka lasa miriaria fotsiny, dia io fa lasa bado daholo.
Ka rehefa bado ny ankizy dia bado koa ny vahoaka. Vokany, manaraotra ny mpitondra dia lasa tsy zary zary ny fiaraha monina ka mitondra fantiantoka be loatra ho an’ny firenena...etsetra ..
Ny toetsaina lomorina io indrindra no fototra mampahantra ny malagasy.
Sombiny kely ihany ireo lazaiko ireo.
Ka zao kosa, tonga izao ny fotoana hanarenena ireo zava-drehetra tsy manjary ireo.
Amboarina sy arenina daholo izay rehetra tsy mety raha te handroso ny malagasy.