Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 25 avril 2026
Antananarivo | 16h26
 

Répondre à un commentaire

25 avril à 14:04 | Vohitra (#7654)

Nanongana fanjakana ny vahoakan’i Zanahary sy ny tanora Gen Z ny volana oktobra 2025...vaky tady lasa nandositra i Rajoelina rehefa avy nandroba ny volam-bahoaka...

Nivoaka tampoka ny toby ny manamboninahitra dimilahy sy ny forongony ka nalainy teny andalambe ny fahefana... fahefana nongotan’ny vahoakan’i Zanahary teo ampelantanan’i Rajoelina.

Nentin’i Kolonely teny amin’ny HCC ilay fahefana azony teny andalambe, ary nanaovana sarimihetsika efa voaomana sy nifanarahany tamin’ny HCC an’i Rajoelina...ka mody notoloran’ny HCC ny Kolonely indray ilay fahefana...

Nanomboka teo nilaza ny fitondrana fanovozana fa TSY nanao fanonganampnjakana izy satria notoloran’ny HCC azy ny fanjakana : fitaka sy lainga ankitsirano tsotra izao !

Fahefana nalain’ny vahoakan’i Zanahary tamin’ny fanonganampnjakana no lazain’ny Kolonely fa TSY fanonganampnjakana velively rehefa azony.

Satria nahoana no fitahana sy tolorana lainga ny vahoakan’i Zanahary ?

Satria TSY eken’ny fanovozana sy ny forongony ny hanonganana azy rehefa misy TSY fahombiazana sy rehefa vaky masoandro ny tetika maizina nokotrehiny.

Samborina sy hanaovana herisetra izay mitsikera sy mihevitra ny hitondra hevitra eny andalambe satria mety hanongana ilay fitondrana azo tamin’ny fanonganampanjakana !

Vonona ny hamono sy hitifitra koa ny vahoakan’i Zanahary izy ireo toy ny nataon’ny FRS fony repoblika voalohany raha misy hetsika andalambe manozongozona ny fahefany.

Hihazona ny fahefana amin’ny fomba rehetra no tena tanjona ho an’ny fanovozana sy ny forongony.

Inona ary no vahaolana mba TSY hisian’ny ra mandriaka eto amin’ny Firenena sy TSY hisian’ny ady antrano ?

Ilaina ny dinika iombonana mba hamaritana sy hanoritana mazava ny andraikitra, adidy sy fahefana, izay hiantsorohan’ny fitondrana ankehitriny.

Ilaina maika alohan’ny fikaonandoham-pirenena ny hamaritana ny fahefana omena ny Kolonely sy ny fitondrana tarihiny.

Ilaina ny hamaritana ny zotra hizorana ho an’ny fitondrana tetezamita ankehitriny !

Efa alanenina sy efa fisorohana sahady ny korontana izany sosokevitra izany.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.