Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 20 mai 2026
Antananarivo | 13h08
 

Répondre à un commentaire

20 mai à 12:44 | rakotobe (#7825)

Tompoko,

Aoka tsy ho resabe fotsiny ity fanambarana ity :

" HAFATRY NY FIVONDRONAM-BEN’NY EVEKA

FIHAVAOZANA SY FANAVAOZANA MANKAIZA ?

 Toa zary lasa nofinofy ilay fanavaozana notabatabaina teny an-kianja.

 Ny vidim-piainana mampiteny ny maona
 Ny fahasahiranan’ny tantsaha ny amin’ny famoaham-bokatra sy ny vidiny
 Ny tsy fandriam-pahalemana
 Ny kolikoly
 Ny ady seza sy ny kiantranoantrano
 Ny fampihorohorona
 Ny fanindrahindrana be ny mpitondra
 Ny fampanginana sy ny fisamborana ireo izay tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra
 Ny tsy fitoviana ny fiahina ny faritra samihafa misy @Madagasikara
 Ny fahatongavan’ireo vahiny maro izay mampiahiahy
 Tsy dia hita taratra loatra hoe avy amin’ny vahoaka sy ho an’ny vahoaka ny #fitondrana

 Tsy misy drafitra politika mazava sy voafaritra tsara ny hitantana ny fanaovana ka voadingana ny tena laharam-pahamehana ho an’ny firenena indrindra ho an’ny vahoaka madinika

 Ry mpitondra tandrovy toy ny anakandriamaso ny fanapahan-kevitra raisinareo fa sao hamatotra ny firenena sy ny taranaka any aoriana "

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}