Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 13 juillet 2026
Antananarivo | 12h06
 

Répondre à un commentaire

13 juillet à 11:21 | Vohitra (#7654)

Mampatsiahy ny sosonkevitra fototra efa narosoko tamin’ny 28 jona 2025 teto amin’ny MT ihany ny tenako mikasika ny tolokevitra hotohanako mandritry ny fikaonan-dohampirenena raha sitrapon’i Zanahary...

Faritra mizakatena anaty Repobilika Federaly no rafitra fototra tokony hirosoana.

Fokonolona, Kaominina, Faritra, ireo telo ireo no vondrombahoaka hitsinjarana ny fahefana, ary ny Filoha sy ny Filankevitra rehetra ao amin’ireo dia fidian’ny vahoaka mivantana.

Inona moa no hifandraisan’izany rafitra izany amin’ny tranga fandrobana sy halatra resahana amin’ny lohahevitra anio ?

Tsotra sy mazava ny antony :

Tsy ho voafehy ao anaty rafitra politika tokana (État unitaire centralisé) intsony ny fihetsika sy fahazarana mikasika ny kolikoly sy fitondrantena ratsy ataon’ny mpiasampanjakana ankehitriny. Isany amin’izany mpitandro filaminana.

Ny filaminana sy ny fiarovana ny mponina sy ny fananany dia apetraka tanteraka ho andraikitra sahanin’ny Faritra tsirairay izay manana ny rafitra mpanatanteraka isamparitra.

Foanana ny fisian’ny Tribonaly Miaramila ary raisina tanteraka ho toy ny mpiasam-bahoaka rehetra ihany ny mpitandro filaminana, ary tsaraina toy ny mpiasam-bahoaka eo anoloan’ny Tribonaly sivily mahazatra ihany.

Raha efa nipetraka tokoa mantsy io rafitra io, dia efa voasambotra sy efa natolotra ny fitsarana ireo rehetra nahavanon-doza amin’ny tranga fandrobana etsy ambony fa tsy mila niandrasana akory izay tetika politika any anivon’ny goverinemanta Foibe any...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}