Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 22 juillet 2026
Antananarivo | 11h55
 

Répondre à un commentaire

22 juillet à 08:32 | Vohitra (#7654)

Nisy fotoana niheverana fa nijanona ho tantara sisa ny fahatapahan’ny herinaratra, vanimpotoana anankiroa angamba no azo tanisaina :

* tamin’ny fotoana nandray vahiny teto i Rainilaingarivony, ny fivoriana COI sy ny SADC.

* tamin’ny fotoana niantsoroka andraikitra tao amin’ny minisitera i Ralitera.

Ankoatr’izay vanimpotoana izay, dia mitovy daholo ny zavamisy iainana sy ny fanambarana atao : miala tsiny fa tsy azo ialana ny tsy fisiana herinaratra, ny antony mahatonga ny tsy fisiana, ary ny vahaolana amehana raisina.

Mbola tsaroana ny sarimihetsika nataon’i Rainilaingarivony nilaza fa : « tsy hivoaka ato amin biraon’ny Jirama aho raha tsy misy ny vahaolana anio »...

Monseigneur Colonel sy ny mpihoby matianina manandratra ny ezaka ataony indray manesika teo aloha teo fa « efa adino hoe nisy ny delestazy lavabe ».

Dia io no zavamisy, na eo na tsy eo i Ron Weiss, dia toa mitovy ihany hoy ny sasany ankehitriny. Fa inona izany no tena olana ary ?

Ny olana ve ?

Ireo voaibe manao ampihimamba ny orinasa Jirama sy ny sehatra angovo eto amin’ny Firenena. Misy fanjakana anaty fanjakana ao amin’ny Jirama ao, ary voageja amin’ny hevi-petsy ataon’ny sehatra tsy miankina ny toekarena manontolo, ireo mifehy ny solika sy maninjara ary manafatra izany...

Mbola misy mihevitra ankehitriny fa ireo sehatra tsy miankina mangeja sy milalao ny toekarena ireo no atao ho loharano hiantoka ny famatsiambola ny fampielezankevitra politika rahampitso, ary aleony mifampiraharaha miafina miaraka amin’ireo voaibe ireo...

Mody mitabataba sy mikapoka latabatra, mody manao rahombava... Nefa mandray izay omen’ny voaibe ihany ao ambadika ao...

Aza mifanabado foana eto e...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}