Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 23 juillet 2026
Antananarivo | 15h12
 

Répondre à un commentaire

23 juillet à 13:41 | Vohitra (#7654)

Ialana tsiny, Ialana fondro sy salohy fito Lalatiana Pitchboule raha nisafidy ny tenimpirenena aho mba hanehoana hevitra manoloana ny lahatsoratra narosonao.

Ny antony tsotra dia sanatriavina mety hitondra sy hivimbina savorovoronkevitra eo amin’ny samy Malagasy ny vontoatinkevitra narosonao, koa amin’ny fanetrentena no hanokafako adihevitra aminkitsimpo mifototra amin’ny fizarana nataonao.

Ny tsy iadiankevitra aloha dia ny hoe tsy voaporofo fa nisy ny mponina voalohany efa niorimpaka teto amin’ny Nosy izay vao nisy mpifindra monina... Ary ireo mponina maintimolaly efa ela niorim-ponenana tany ampiandohana tamin’ny fisian’ny olombelona niaina teto no nantsoina ho « vazimba ».

Eo amin’ny kolontsaina sy riba, ary fihevitra manandanja, dia tsy nasianao resaka sy tsy natsidikao mihintsy ny fisian’ny « lovantsofina niampita isan-taranaka, ny tantara mitoetra sy ny angano nolovaina, ary ny fomba nohasinina », izay raha atambatra sy hasongadina, dia maneho manambara fa ny fiandohana teo amin’ny Malagasy dia noheverina fa ny fahafoizan’i Zanahary hanolotra ity Nosy ity ho an’ny vazimba sy ny taranany.

Ny noheverina ho vazimba dia ireo nifindra monina efa tena ela nitoetra no sady very fomba sy fanao amin’ny rohy fototra niaingany avy andafin’ny riaka...ary ny mpiavy tato afara dia nivimbina sy nampiaina ny fomba nentindrazany avy andafin’ny riaka ka nampiorina izany teto anivon’ny riaka.

Ny tsy hitoviako fijery aminao dia tsotra :

* miantehatra sy manorina tsangankevitra amin’ny asa soratra nataon’ny vahiny fotsiny ianao

* ny fivoizanao ny faha samihafana ara-bolonkoditra sy karazana hanondroana fifanandrinana sy fifanoherana ara-piarahamonina, toa mivoy teti-panorina nataon’ny vahiny ihany ianao.

* toa mitondra fanamelohana ny rafi-panjakana sy rafi-piarahamonina teto Ankibon’Imerina no ambetindresakao, nefa ny ambaratonga sy fandaminana nisy teto Ankibon’Imerina dia hita taratra ihany koa tany amin’ny fanjakana hafa nisy teto amin’ny Nosy fahizay.

Izay no vita, ampanajana sy firariantsoa ho anao Lalatiana Pitchboule.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}