Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 21 novembre 2026
Antananarivo | 11h26
 

Répondre à un commentaire

21 novembre à 11:22 | Vohitra (#7654)

Miresaka sy miantefa amin’iza ity lahatsoratra novokarin’i "Diapason" anio ity ?

Raha atao topimaso indray mijery dia toa azo heverina fa tsy ho an’ny Malagasy no sady tsy noheverin’ny mpanoratra ho fikatsahana vahaolana hametrahana ny Malagasy ho tomponandraikitra sy tompon-draharaha feno no fonosin’ny fanadihadiana toa laroana tarehimarika tsy nampanjakana fanehoana miely patrana ho sahaza ny mangarahara akaiky ny fiarahamonina...

Vahaolana sahaza ny Malagasy manoloana ny olana atrehan’ny Malagasy no ilaina eto. Ary vahaolana mitandro tombontsoa ho laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy.

Vanimpotoana saropady sy tena hatahorana tokoa ho an’ny firaisampirenena Malagasy ny taona 2027 ho avy io.

Ny vahoaka Malagasy no tompon’ny fiandrianampirenena sy ny fahefana, ary tsy misy fahefana hafa na hery hafa afaka hisandoka izany amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy.

Handalo fotoana sarotra ny Firenena amin’ny taona ho avy raha misy maneho tombontsoa manokana vokatry ny ambopo diso toerana eto Madagasikara.

Nahoana no tsy mety miroso MIHINTSY ny ady amin’ny tsy maty manota ?

Raha mbola azo atao ny misoroka ny ady antrano mety hitranga eto amin’ny Firenena, dia aleo misoroka hatrany...

Tandremo ny tandrevaka...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}