Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 22 novembre 2026
Antananarivo | 12h00
 

Répondre à un commentaire

21 novembre à 10:38 | Vohitra (#7654)

Misy aina 35 lavo sy nafoy ary lasa nandao amin’ity raharaha ity.

Saropady sy sarobidy ary tandremana mafy toy ny anakandriamaso ny aina eo amin’ny fijery sy finoana tena Malagasy.

Tsy misy raha mbola olona ihany koa ka ho afaka hilaza fa hoe "tompon’ny aina". Zanahary ilay mpahary no tompon’ny aina ary mpandahatra azy.

Malagasy isika, ary fijery sy lalantsaina Malagasy, fandinika sy kolontsaina Malagasy no entintsika miatrika amim-pahatoniana ny fiandrasana ny valin’reto fanontaniana ireto :

* Koa satria mitovy avokoa ny fisehon’ny soritry ny jaly sy fangirifiriana mialoha ny fahafatesana teo amin’ireo namoy ny ainy, dia azo hambara tsy misy hambahamba fa "nisy namono ary novonoina" ankitsirano ireto maty 35 ireto. Iza no namono na iza no nampamono. ?

* Inona no antony namonoana azy ireo ?

* Tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahana ny famonoana. ?

* Iza avokoa no niray tsikombakomba tamin’ny famonoana ?

* Nisy tandrevaka ve, ary nisy tsy fandraisana andraikitra ve tamin’ny fanavotana ny aina nadritry ny fotoana ntrangan’ny voina sy loza. ?

* Iza daholo ireo tomponandraikitra nanao ezaka sy fihetsika ho fanafenana ny marina sy ny fanodinkodinana ny fahamarinana ?

Ireo no fanontaniana handrasan’ny Malagasy tsy vaky volo valiny mahafapo amin’ny fitsarana Malagasy ankehitriny.

Manana fanantenana tokoa amin’ny fahalalana ny marina amin’ity raharaha sy tranga mamoafady ity ny vahoaka Malagasy. Tsy mihevitra MIHINTSY ny ho diso fanantenana amin’izay ny Malagasy.

Matoky sy mahatoky ny fitsarana anaty mangarahara sy fahamarinana ity raharaha ity ny vahoaka Malagasy.

Mbola misy ny fanantenana.

Malagasy isika, tsy resaka politika ity, tsy resaka fihazana sitraka ity, resaka aina nafoy noho ny hetraketraka no resaka eto. !

Mahereza ry mpitsara Malagasy !
Eo aminareo ny fanantenana ho an’ny mpitondratena sy ny kamboty ary ny osa...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}