Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 25 novembre 2026
Antananarivo | 10h20
 

Répondre à un commentaire

25 novembre à 10:08 | Vohitra (#7654)

Tsy misy fanafodiny intsony ho an’ity andrimpanjakana iray efa tena simba tanteraka sy vonton’ny fahalovana ity...

Fandravana tanteraka ihany no fanafodiny raha toa ka mbola mihevitra ny hanavotra ny Firenena ihany ireo mpitondra fanovozana.

Ravao avy hatrany aza asiana hatak’andro mihintsy ity Antenimierampirenena ity.

Ny Filoha misahana ny fanovozana irery ihany no tomponandraikitra tanteraka amin’ny fandravana ho vahaolana io.

Andriamatoa Filoha, miverena amin’ny kabary nataonao teo anoloan’ny lapa Ambohitsorohitra ny 14 oktobra 2025.

Ravao ny Antenimierampirenena, ny HCC, CENI...

Atsangano ny Antenimiera Fanorenana Ifotony, aza asiana mpanao politika na iray aza ao anatiny, azonao atao tsara io komity tekinika io ihany no avadikao ho Antenimiera vaovao.

Handrafitra ireo volavola lalampanorenana haroso amin’ny fifidianana ho fitsapankevibahoaka no tena andraikiny. Tsy tokony hisy mpikambana anaty antoko politika ao anatin’ny Antenimiera vaovao hajoro.

Krizy politika lalina sy hampidi-doza ny Firenena Malagasy no hitranga raha mbola avelanao hijoro ihany ireo andrimpanjakana niaraka nisalahy tamin’ny fitondrana Rajoelina tamin’ny fangejana fanjakana sy jirika nambotry Firenena...

Hizotra miandalana ho any amin’ny ady antrano ny Firenena Malagasy raha mbola mijoro eo ihany ireo andrimpanjakana efa nampidi-doza ireo !

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}