Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 6 août 2025
Antananarivo | 03h46
 

Répondre à un commentaire

5 août à 10:31 | Bary (#11769)

Ao amin’ny ACM ao ny lakle ao ry FBI a !!! Fianakaviana vitsivitsy mifandray tendro sy mifampiaro daholo no mihodikondina ao. Sarotra ny hanononana anarana tsy misy porofo mivaingana, nefa fantatra ihany amin’ilay fianakaviana hoe iza no anisan’ny trozona be ao ambadiky io resaka io.

Milaza ny ACM fa ara-dalana daholo ny fangatahana fanomezan-dalana nataon’ilay orinasa. Fa hono ho’aho ry ACM, ahoana izany no ninoanareo fa misy orinasa tena madio vonona hividy sy hampiasa Boeing 777-200ER dimy be zao eto Madagasikara ? Tsy Madagascar Airlines, tsy MTA, tsy na iza na iza amin’ireo orinasa tsy miankina mpampanofa fiaramanidina ireo ? Ary io tsy ilay minisitra irery no nandresy lahatra anareo tao satria mibaribary loatra hoe ho ampiasaina amin’ny tsy manjary ny taratasy nomenareo (na dia tsy voatery fantatrareo mialoha aza hoe ho alefa any Iran ireo Boeing ireo).

Manaraka izay dia nilaza koa ianareo fa nandefa e-mail nanontany ny fahamarinan’ireo fanomezan-dalana i Cambodge ny 20 Jona. Ary namaly ianareo ny 23 Jona fa hosoka izany ary efa nitory hoe ? Dia nahoana izany no mbola navotsotry Cambodge ihany ireo fiaramanidina ireo ny 15 Jolay ary tonga soa amantsara tany Iran ? Aleo hatao hoe nisy nanao hosoka koa ny mail anareo voarain’i Cambodge e.

Tsy manantena na inona na inona amin’ny fanadihadiana ataon’ny FBI, amerikanina ireo tsy maharaka ny fanodikondinana ny teny baiko mandeha tsy ho tafiakatra any amin’ny trozona tena mpanome baiko. Mpiasa 1 sy 2 mody ho lazaina fa tompon’antoka no ho tratra eo dia izay. Izahay mpijery anefa na tsy FBI aza mahafantatra hoe iza ilay trozona.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}