Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Teny iray monja dia mahafintina ny fisolokiana sy fitaka voizina eto amin’ity Firenena ity :
« Velirano ».
Atao fanahy iniana ny fanosena ny lalantsaina sy hevi-panahy fonosin’izany teny izany teo amin’ny fomba sy fitaizana ary fifandraisana ara-piarahamonina nentindrazana.
Dina aman’aina ny « velirano » ary niantsoana ny « tody », ary natao ho vavolombelona ny ambanilanitra sy ny Razana, ary nitondra ho amin’ny fahaverezan’ny Hasina ny tsy fahatontosana azy.
Ny tody dia tsy azo niolahana na nialantsiny fa dia nihantra amin’ny aina.
Raha mbola Malagasy heverina ho olombanona ihany tsy ho sahy hanonona velirano tsy ho tanteraka...
Iza no mbola sahy hilaza fa atao ho « rariny » ny fanaovana lanonana nefa misy Razana marobe eo nandrasana ambohitra ary nisy andraikitra tsy niantsorohana.?
Aiza no « hitsiny » amin’ny fisakanana sy fandrarana ny fihaonana sy fifanakalozana hevitra ifampizarana eo amin’ny ambanilanitra.?
Efa « vaky henatra » ve no mampiseho kibo imasombahoaka nefa mba noheverina ho masoandro amambolana ho fakana tahaka ara-pahendrena ?
Oviana amantany no misy fitantanana sy fifampitondrana mifototra amin’ny lainga tsy ankiato sy famarinana ankady ny fahamarinana ?
Iza tao anatin’ny 65 taona farany no sahy nanota fady sy nanazimba toerana saropady misy Fasambe ? Ankoatry ny sokajin’ny « mpamosavy », iza no olona mihevitra ho mbola vory saina ka hametraka zavapady mifanohitra tanteraka amin’ny fisaina sy fihevitry ny Razana eny amin’ny tokotanimpasana ?
Andeha hitondra kilalaonteny no entina hamaranana ny fanjoriankevitro :
« Ny lainga no valamparihiny »...
« Tsy manam-pahavalo afatsy ny fahamarinana izy »...
« Izy sy ny mosary dia iray ihany »...
« Vitako izaho irery fa tsy izaho sy ianareo velively akory »...
« Ny volambahoaka dia hananako Havana »...
Izy moa no iza ?
Rainilaingarivony dimy mianaka !