Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 6 décembre 2025
Antananarivo | 18h52
 

Répondre à un commentaire

6 décembre à 12:33 | Vohitra (#7654)

Isaorana ny Diapason amin’ny fanolorana ity lahatsoratra ity izay tena mifanindran-dalana tokoa amin’ny vanimpotoana sarotra lalovan’ny Firenena Malagasy ankehitriny. Mankasitraka indrindra.

Rehefa novinaky ny vontoatin-kevitra navoitry ny lahatsoratra dia tonga an-tsaina avy hatrany ny fanontaniana vitsivitsy :

1- Raha ny zavamisy eto Madagasikara, natao ho an’iza tokoa moa ny lalampanorenana, moa va ho an’ny mpitondra sa ho an’ny fanjakana sa natao ho an’ny Firenena Malagasy ?

2- Ilay firehana sy lalantsaina « repobilikanina » ve no tsy voafehin’ny fijery sy fisaina Malagasy ka mahatonga ilay lalampanorenana ho lasa « haingo » sy « ravaka » fotsiny aranty eo ambonin’ilay « Repobilika » ?

3- Ilay Fitsarana avo momba ny lalampanorenana izay omena « zo tsy azo ivalozana » amin’ny Didy sy fanapahana raisiny ve no lasa « olana sy vesatra » satria misalotra hatrany fiandaniana sy milonjehitra firehana ka lasa loharano ipoiran’ny disadisa ara-politika eto amin’ny Firenena hatrany ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}