Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 10 janvier 2026
Antananarivo | 12h52
 

Répondre à un commentaire

9 janvier à 12:12 | Vohitra (#7654)

Mahantra sy fadiranovana ary sahirana tanteraka ny vahoakan’i Zanahary ankehitriny, fihazonana ny aina sisa no misy amin’ny ankapobeny...

Nisy ary misy ny fihetsika sy fiteny ary fanapahankevitra izay tena manana endrika ho fandatsana, fanambaniana sy fanosihosena ny zo maha olona ny vahoakan’i Zanahary...

Betsaka ny tranga nisehoan’izany teo amin’ny fiainam-pirenena.

Ohatra fotsiny : any Ambositra betsaka ny maty eo ambohitra, toy izany ny tany Ikongo, ny maty very tsy hita any andranomasina...ny etsy manao lanonana feno hazavana anaty eboebo sy mifaly havanja, moa va tsy fandatsana, sy tsy fanomezana Hasina ny fomba sy ny kolontsaina ary tena manambany ny mpiray Tanindrazana izany ?

Dia raha misy ny hatezerana noho ny fahafenoan’ny ratrampo sy ny alahelo mavesatra vokatry ny fihetsika ataon’ny noheverina mba ho fitaratra nefa toa lasa mpandatsa sy mpanambany ary mpanota ny fady, dia mbola hisy omentsiny ihany ve ?

Ny vahoakan’i Zanahary ihany ve no mety antsoina hoe "ratsy taiza" fa ireo manampahefana sy mpitondra politika dia tsy mety ary tsy azo antsoina MIHINTSY hoe "ratsy taiza" ?

Ho fehiny izay nambara dia tsotra ihany :

Tandrovy ary hevero sy lolohavy ny kolontsaina Malagasy iombonana, hajao ny fitaizana niombonana nolovaina tamin’ny Razambe, aza tia mirehareha sy mieboebo, tsarovy ny lasa, ataovy toy ny anakandriamaso ny fitsinjovana ny aina, aza manilika sy manavaka ny fadiranovana raha tompon’ny fahefana nindramina ianao...

Ataovy ho laharam-pahamehana ny fitaizana sy ny fanabeazana, ny fifanomezan-kasina ary fitsinjovana ny soa notoavina !

Io "Colisée" manompa sy manota fady ary manazimbazimba ny tantara sy mamono Hasina io mbola vavolombelona mijoro maneho ratrampo sy famingavingana ny hafa...

Ny mpananatra no tokony hampiseho fihetsika lavorary sy toetra ho fakana tahaka voalohany...

4 % amin’ny vahoakan’i Zanahary no mpiasam-panjakana, dia nomena tombontsoa manokana foana MIHINTSY, ary ireo valalabemandry mandady harona sy mifiaka ny mangidy tsy telina mba ahoana ?

Mba diniho sy hevero ihany e...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}