Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 10 janvier 2026
Antananarivo | 12h52
 

Répondre à un commentaire

9 janvier à 13:26 | Vohitra (#7654)

Indray andro hono...

Minisitra iray amperinasa misalotra fahefam-panjakana no manatosaka teny ratsy igagana ao anaty tambazotra fifandraisana...OLLNBV hoy ity olondehibe iray...

Minisitra iray vao voatendry tamin’izany fotoana, tonga nandray ny andraikitra nankinina taminy tao amin’ilay minisitera...avy hatrany dia ompa vary raraka no naloaky ny vavan’ity minisitra vehivavy tamin’ireo mpiasa nandray azy, molotra be tena mantsambava nitsinkafona teo amin’ny tambazotra...

Nanakoako ny teny sy feo tetsy sy teroa, tonga teny ankianja MIHINTSY ny feo mihiaka hoe "tsy mila vazaha", niroso ny tolona, niaretana ny kapoka sy ny ratra...lavo ihany ny amboadia nandripaka ny zanak’ondry tato afara...dia indro toa mbola vazaha toa faikamboanjo misalotra ilay 8 cm ihany no hita misonanina manapaka...

Dia mba milaza sy maneho hevitra amin’ny hitsimpo ireo vahoakan’i Zanahary hoe "fa nahoana no dia izay tsy nifanarahana indray no natao", dia misy avy dia mitsivalam-pandry milaza hoe"omeo Hasina fa manana fahefana "...

Sa kosa izao no tonga amin’ ilay nambaran’i Pasitera Andriamanjato Richard Mahitsison hoe "mahaiza manetsa Ravaly fa hafa ny anio sy ny omaly" ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}