Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 19 février 2026
Antananarivo | 15h47
 

Répondre à un commentaire

19 février à 10:34 | Vohitra (#7654)

Isaorana erampo sy erantsaina ny fitsarana Malagasy amin’ny didy ho fanapahana nataony mikasika ity tranga ity.

Nandray ny andraikitra tandrify azy ny fitsarana, mbola TSY very ny fanantenana fa hijoro sy haneho ny rariny sy ny hitsiny ny fitsarana Malagasy amin’ny ho avy rehetra mba ho tanteraka ny voalaza ao amin’ny Hirampirenena Malagasy manao hoe :

"Tahionao ry Zanahary ity Nosindrazanay ity...E sambatra tokoa izahay..."

Nifanojo tokoa ny rariny sy hitsiny tamin’ny fanapahana noraisin’ny fitsarana Malagasy.

Mba ho rariny ve hoe rafitra mifandray amin’ny tantaran’i Roma no haorina eo amin’ny Vohitra"Andrianjaka ?

Aiza no hitoeran’ny hitsiny amin’ny fananganana hafa ataon’ny mpizaka fahefana repobilikanina eo amin’ny vakoka navelan’ny faha-andriamanjaka fahiny, ary indrindra eo amin’ny Fasambe mitahiry ny taolambalon’izy ireo ?

Vavolombelon’ny tantara ny vakoka, maneho ny zotram-piarahamonina fahizany, mitahiry ireo dingana sy hevi-panahy nanorenana ny rafitra hametraka ny "tsiaro sy ny tadidy"...

TSY mpanjaka nanjaka i Rajoelina, ary TSY tandapa nisitraka ny hasimpanjakana tao andapa i Rakotondrazafy Lalatiana...

Raha mbola Malagasy ihany koa isika, ary raha mbola mitempo ao ampontsika ny fanahy nolovaina tamin’ny fitaizana nositrahana, adidintsika ny manome Hasina sy haja ny Fasana, TSY azo zimbazimbaina sy TSY azo tevatevaina izany toerana izany.

Mankasitraka ny fitsarana Malagasy.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}