Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Mba diniho sy hevero anie e...
Hoy Ilay kandida nilatsaka hofidiana teo imason’ìreo mpifidy :
"Raha izaho no fidinareo, dia TSY handrava ny Antenimierampirenena MIHINTSY aho" .
AHOANA moa no tsy hifidy ireto solombava tena mazoto homana ireto ?
Inona no lesona azo atao tsoankevitra amin’izao zavamisy mamohehatra sy mamoa-doza izao ?
Na inona na inona fanapahankevitra mivoaka avy amin’ny fikaonandoham-pirenena eo, dia izay heverin’ny HCC ihany hatrany no atao eto amin’ny Firenena ity.
Ny tsoankevitra faharoa dia ity : raha ny fandravana ny Antenimierampirenena aza ho sakanany sy holaviny, koa AHOANA moa no hanekeny ny handravana ny HCC ?
Noho izany tranga izany dia tsy misy azo hantenaina sy fanorenana ifotony vaovao hiandrasana ilay fikaonandoham-pirenena raha tsy voahaja ireto fepetra roa ireto :
1- ekena sy apetraka ho masi-mandidy sy miantsoroka ny fiandrianampirenena sy ny feom-bahoaka ny fikaonandoham-pirenena (conférence nationale souveraine et dotée de la volonté populaire).
2- ekena sy atao manankery avy hatrany ny fanapahankevitra sy fanovana mivoaka avy amin’ny fikaonandoham-pirenena.
Raha izao zavamisy ankehitriny izao nefa no dinihina, dia mbola hamafy sy hitondra poizina eto Madagasikara ity HCC ity amin’ny ho avy, toy ny efa nataony hatramin’ny lasa foana ihany.
Torohevitra aroso amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny dia ity :
Ravao sy atsaharo alohan’ny fikaonandoham-pirenena ireo rafitra rehetra navelan’ny fitondrana teo aloha fa hiteraka korontana eto Madagasikara rahampitso.