Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 juillet 2026
Antananarivo | 13h34
 

Répondre à un commentaire

8 juillet à 11:13 | Vohitra (#7654)

Tsiahy ny lasa...

Samy mbola mahatsiaro angamba isika ny raharaha "Remenabila", izay tsy fantatra mihintsy mandraky ny androany hoe "iza" tokoa moa izy, ary "taiza" no tena nanaovany ny asa ratsy vitany sy ny toerana fonenany...

Toy izay ihany koa, vao vita ny tetezamihitatra 2009-2013, dia nitranga ny resaka "bois rond", maty misy namono ilay olona nefa ny vola sy finday dia tsy very fa ratra no hita eo amin’ny faty...

Ny tiana asiana tsindrimpeo eto dia izao :

Matetika ny tranga sy raharaha miteraka savorovoro ao anaty fiarahamonina ary mitondra ahiahy maro sy tebiteby lalina dia tsy misy fanazavana mahafapo sy tsy misy vokatry ny fanadihadiana mazava, ary toa lasa vitavita ho azy eny saron’ny fotoana eny fotsiny...

Toy izany koa ny resaka "vaky fasana" miaro "halatra taolambalo".

Dia mandeha daholo ny resabe etsy sy eroa, ao ny mitanisa ny resaka misy ambadika politika, ao ny manambara resaka "sorona" amin’ny fitrandrahana harena...

Fa nahoana ary no efa 90 mahery no olona nisy naka ankeriny tao anaty fotoana fohy, ny hita dia lasa very saina na maty mitondra ratra, 47 eo ho eo no mbola tsy hita, ary misy manjavona Isanandro, dia tsy misy vokatry ny fanadihadiana mihintsy ve hatreto ?

Diniho ary ny tantara avy amin’ny lasa...

Ny fitondrana misy rà latsaka tsy misy fanazavana marimpototra dia tena ratsy fiafarana avokoa sy misedra fotoantsarotra tanteraka amin’ny vanimpotoana hialana...

Hitranga ve ny famantarana nomena ny Ombalahibemaso fony izy nitaratra tandindona sy dindo amin’ny rano fahiny ka hitranga ny nambaran’ Andriamandrosoanio an’i Nampoina ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}