Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Tahotra sy horohoro no iainan’ny vahoaka ankehitriny, miseho Isanandro ny tranga toa maneho fa marefo tokoa ny fahefam-pitondrana manoloana ny asa ratsy mihanaka.
Efa mihoatra ny resaka ara-politika mihintsy izao tranga izao, efa ny famotehana ny kolontsaina manandanja eto amin’ny Firenena mihintsy no misy ankehitriny.
Ny fitaizana miloloha ny maha sarobidy toa ny anakandriamaso ny "aina" mihintsy no otaina sy verezinkasina tanteraka.
Efa herinandro maromaro izao no niseho ity zavamisy mamoafady ity nefa mbola tsy misy vokatra ny fikarohana ny marina sy ny fanadihadiana atao.
Inona no tanjona fonosin’izao famatsiana tebiteby ny fiainam-piarahamonina izao ? Ny azo antoka dia misy tambazotra miafina manatanteraka ny asa ratsy, ary tena tambazotra sahy mandrefy ny fahefam-pitondrana mihintsy.
Fotoana tokony hieritreretana izao mikasika ny fahafahana indray mamerina ny fanamelohana ho faty na ny sazy henjana mifanandrify amin’ny heloka vita, indrindra ny mikasika ny heloka misy famoizana aina...
Azo heverina tokoa ny fametrahana ny fitandroana ny "rariny sy hitsiny" ara-piarahamonina mba hifanojo amin’ny lalàna velona manankery eto amin’ny Firenena.
Fahizany, fehezandalana roambinifolo no nentin’ny Ombalahibemaso nampandry fahalemena ny tany sy ny fanjakany, nandreseny ny mosary sy niaro ny fahafahana mivelona eo amin’ny ambanilanitra...
"Tsy adidiko izaho irery, fa izaho sy ianareo" hoy ny Ombalahibemaso... Ny Fokonolona tokoa no andriana voalohany amin’ny filaminana...