Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 12 septembre 2026
Antananarivo | 12h37
 

Répondre à un commentaire

12 septembre à 11:11 | Vohitra (#7654)

Herintaona lasa tokoa izay...

Lasa tsaroana foana sy atao jeritamberina hatrany satria : nisy aina nafoy marobe, ary nisy ratra sy herisetra nitondra takaitra sy fery marary.

Herintaona ato afara, inona no tombanezaka azo lazaina sy fandrefesana ny fiovana azo tombanana ? Nitondra fahafahampo sy fahombiazana ve ?

Ireto no fiovana hita sy tsapa ary iainana ankehitriny :

* niova ny fahefam-pitondrana manatanteraka ny fibaikona sy fampiodinana ny raharaham-bahoaka

* misy ny ezaka ho fanamboarana ny làlana hifamoivoizana amin’ny lalampirenena

* misy ny ezaka natao ho fanatsarana ny tombontsoa ho an’ny mpiasampanjakana.

Ary inona no TSY MISY fiovana mihintsy ?

* ny tsy fanajana sy tsy fikoloana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka

* ny tsy fanaovana ho fantatry ny vahoaka ny fanambarana fananana

* ny fisian’ny tsy filaminambahoaka sy ny fisian’ny herisetra ao anaty fiarahamonina

* ny fanaovana famoriambahoaka ankianja natao ho fomba fikoloana habadoana sy filalaovana ny fihetsehampo.

* ny fandaniambola tsy laharam-pahamehana sy lasa rendrarendra tsy mitondra vokatra ilaina ao anaty vanimpotoana fanarenana ny Firenena.

* mitohy mihanaka ny fahantrana eo amin’ny Malagasy marobe

Inona no ambana sy fanahiana ary tebiteby misy ?

* feno tsy maty manota indray ao anaty fahefam-pitondrana mijoro

* tsy hita taratra feno amin’ny paikady entina amin’ny fikaonan-dohampirenena ny finiavana hametraka ny fanorenana ifotony tena maneho ny hetahetam-bahoaka

* tsy ny famahana ny olana fototra lalimpaka nitondra fahantrana miavosa sy niteraka krizy politika sy krizy ara-piarahamonina no atao laharam-pahamehana.

* mitavozavoza sy miadana loatra ny fandehanan’ny raharaham-pitsarana momba ireo nahavanondoza teto amin’ny Firenena.

Samia ary mandinika sy mametraka fanontaniana mahitsy sy tsotra :

Efa misy fahombiazana sy fandrosoana ve ny raharaham-bahoaka ankehitriny ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}