Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Iza moa ankehitriny no Filoha ao amin’ny CSI ?
TSY Iza tsy akory fa ilay mpitsara izay efa Tale Jeneraly teo amin’ny BIANCO teo aloha ihany, izany hoe, miodinkodina fotsiny toy ny tandrimo tsy misy fiovana ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara.
Rafitra sy fehezan-dalana ihany no mipetraka fa TSY misy fampiharana sy finiavana hikatsaka fahombiazana velively akory !
Manoro hevitra antsika fiarahamonim-pirenena aho aza mandany andro mitondra soso-kevitra any amin’ny rafitra efa lo sy maty mbola ezahana tazonina mijoro toy izao misy ankehitriny izao, ny fanorenana ifotony no aleo irosoana avy hatrany tsy asiana hatak’andro fa lany fotoana eto fotsiny isika !
Ity no làlana azo hirosoana sy hitondra fahombiazana ho any amin’ny fanorenana ifotony :
1- takio tsy ankiato aloha ny fanambarana fananana MBA ho fanta-bahoaka mangarahara.
2- entina miatomboka any amin’ny Fokonolona any ifotony MIHINTSY ny resaka fanovana.
3- takiana ny fanesorana ny mizaka zompirenena vahiny rehetra amin’ny fizakana fahefana ao anaty tetezamita ao.
4- takiana ny fanesorana izay rehetra mpanao politika sy olona efa misy raharaha-pitsarana mikasika azy hivoaka ny rafitra tetezamita.
5- hahantona amin’ny asany ny HCC, ny Antenimiera roa tonta sy ny andrimpanjakana rehetra voasoratra tao amin’ny lalampanorenana.
6- apetraka miaraka amin’ny Gen Z ny rafitra mpanara-maso sy hanao tombanezaka ny CRR
7- Apetraka isamparitra ny rafitra manohana ny Fokonolona hanolotra soso-kevitra amin’ny fanorenana ifotony, ka miainga amin’ny fotokevidehibe telo (ady amin’ny tsy maty manota, fizakantena isamparitra, fifidianana madio mangarahara)
8- avy any ifotony mizotra mankany anivon’ny Firenena no zotra, dinika sy antontankevitra avy amin’ny Fokonolona isamparitra no arindra sy avoitra amin’ny fikaonandoham-pirenena.
9- ny ady amin’ny kolikoly dia apetraka MIHINTSY miainga avy any amin’ny Fokonolona ary mitohy zotra hatramin’ny Firenena fa TSY ity resaka CSI na BIANCO sy ARAI ity intsony...rafitra miankina amin’ny fijery vahiny sy fomba mifanaraka amin’ny fehezan-dalana vahiny no napetraka teto fa tsy izay fomba fiady mifanitsy amin’ny kolontsaina Malagasy manohitra ny tsy ara-drariny sy ny ady amin’ny tsy maty manota.
Izay dingana nolalovana izay no miantoka ny fanorenana ifotony eto Madagasikara.