Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 22 août 2026
Antananarivo | 14h26
 

Répondre à un commentaire

22 août à 11:59 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Andy. M.

Miala tsiny amam-pondro, ialana salohy fito raha amin’ny tenindrazana no handraisako anjara amin’ny fanjorian-kevitro noho ny antony iray heveriko fa tena manandanja amin’ny lohahevitra narosonao anio. Tena miantefa tanteraka amin’ny Malagasy sy ny toe-tsaina misy eo amin’ny mpikatroka politika Malagasy sasany ity lohahevitra natsidikao anio ity ka heveriko fa rariny loatra raha amin’ny tenindrazana no hanolorako ny hevitro. Misaotra mialoha.

Ilay rafi-pisainana 4M no tena mibaiko sy manosika ireo mpivarotra angoantenda misora-tena ho mpanao politika taman-dratsy amin’ity lazainao hoe famadihana palitao ity.

Inona tokoa moa ilay 4M.?

Manohana-Manangona-Maningana-Manongana (4M).

Ireo rindram-pihetsika sy toe-tsaina mpandrendrika fiarahamonina ireo no tena lasa fomba fiheverana eo amin’ny mpamadika palitao.

Tsy fotokevitra politika no resaka eto, tsy firehana hikatsaka fivoarana no resaka, tsy resaka fandaminana iombonana no resaka, tsy resaka zotra-piarahamonina mitsinjo tombontsoa iombonana sy iraisana no resaka...

Iray ihany no tanjona ho an’ny famadihana palitao : ho lasa tsy maty manota, ho tompomenakely vaovao anaty rafitra repobilikanina, ho afaka mampanompo ny tontolo manodidina azy amin’ny fikatsahany tombontsoa.

Fehiny : ny mpamadika palitao dia efa voatefin’ny lalantsaina sy fanahim-piheverana tsy maty manota. Efa nisy hatrany amin’ny Repobilika voalohany io ary niampita tafapaka aty amin’ny Repobilika fahefatra ankehitriny.

Io fiheverana sy fitondrantena tsy maty manota io no tena fahavalo voalohany ho an’ny kolontsaina Malagasy sy ho fahavalo voalohany ho an’ny fitiavana ny Tanindrazana.

Tsy misy ary tsy hisy fandrosoana sy fivoarana intsony mihintsy eto Madagasikara raha tsy tanteraka sy mahomby ny ady amin’ny tsy maty manota.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}