Articles dans la rubrique « Malagasy »
-
Tsiroanomandidy
Nahay nisafidy kandida ny TIM. Ekenay avy aty amin'ny tsy miankina ny fametrahana an'ingahy Roland Ravatomanga ho kandidan'ny TIM aty amin'ny faritry Bongolava. Lehilahy heverina fa ahay handravona ny disadisa niseho taty amin'ity faritra ity io, hoy ny depiote Haja voafidy tamin'ny anaran'ny ANAWI. Niaiky ity depiote ity fa mangatsiaka ny fifandraisan'ny tsy miankina amin'ny TIM any an-toerana, nefa rehefa hita fa olona afaka hiarahana miasa dia tohanana.
Fiarahana midiniky ny mpirahalahy (…)
-
Henri Lecacheur
« Ampy izay ny fandeferana. Efa tafahoatra ny fahoriam-bahoaka, ary tsy izao no nifanarahana tamin'ity fitondrana ity, raha nametraka azy tamin'ny toerany izahay ny taona 2002. Vonona aho ny hitarika vahoaka eny an-dalambe raha ilaina, ary na higadrako aza tsy olana », hoy ingahy Henri Lecacheur raha nitafa tamin'ny mpanao gazety tetsy amin'ny Motel Anosy omaly. « Toa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ka mitango ao avokoa ny mpitondra ankehitriny. Tsy azo ekena intsony izany ».
« Mila (…)
-
Andevoranto - Brickaville
jeudi 10 avril 2008 |
Hery A.
| 1039 visites
Tamin’ny alatsinain’ny Paska lasa teo no natsangana ho Tangalamena ao Andevoranto, anatin’ny distrikan’i Brickaville, Atoa Zakariasy Patrick, 39 taona, taranaka faha 4 ao amin’ny firazanan’i « KIRITIKA » sy « BIDIHILY » ary « Mpanjakalava » izay nanjaka tamin’ny taona 1858, tao Andovoranto.
Nandritra ny roapolo taona no banga io toeran’ny Tangalamena io ka nahatonga ny ray aman-dreny tao an-toerana nanao ny hevitra, ka nanendrena an’i Zakariasy. Tamin’ny taona 2005 no efa nandefa ity (…)
-
Antenimieram-pirenena
Tsy ho ela ny fotoam-pivorian’ny depiote, hifantoka any sain’ny maro. Feo maro no mifanaretsaka andalan-tsara eny Tsimbazaza. Ny resaka fikasana hanalana ny filohan’ity andrim-panjakana iray ity dia dia efa ela no nandrenesana izany. Tsy mbola nisy fanangonana sonia momba io, fa mivoaka ny vavan’ireo depiote sendra tafajanona ao ny momba izany. Ankilany tsy taitra ingahy Sylla amin’izay mety ho ataon’ny namany. Eo ihany koa ny momba an’i Zakahely, depiote voafidy tany Mananara Avaratra. Toa (…)
-
Rakotoamboa Jean Louis
mercredi 9 avril 2008 |
Penjy R.
| 697 visites
« Ampy ahy izay nipetrahako tao Anosikely izay. Raha misy ny vola voahodiko nandritra ny naha-loholona ahy, dia ento eo anatrehan’ny fitsarana aho ». Io ny fanehoan-kevitra nentin’ingahy Rakotoamboa Jean Louis.
Tsy nilatsaka intsony ny tenany, ary nohamafisiny, fa raha toa ka tendren’ny filoham-pirenena hiverina amin’io sezan’ny loholona io izy dia tsy handray intsony. « Ny fanompoako ny antoko misy ahy no tanjoko manomboka izao ». Tsy dia misy hilàna ny antenimieran-doholona, hoy izy, (…)
-
« Pladdic » sy ny aretin’omby
mercredi 9 avril 2008 |
Penjy R.
| 397 visites
« Loza ho an’ny vahoaka ity aretin’omby ity. Mila mandray ny andraikiny hatrany ifotony ny fanjakana, satria ho ripaka eto ny Malagasy raha tsy voavonjy haingana io aretina io ». Io ny fifohazana tamin’ny torimasony nataon’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa « Pladdic ». Ny filohany Tolojanahary, dia nanamafy fa misy sehatra tsy mazava miainga any amin’ireo dokotera mpitsabo biby, ka tsy mahagaga raha efa eny ambony latabatry ny mpivarotra vao hita fa biby misy aretina io amidiny io. (…)
-
Fanovana Governemanta
Tsy ho ela dia hiova indray ny firafitry ny Governemanta. Lalana iray tsy azo ialana io, satria dia misy ministra nilatsaka ho fidiana ho loholona ao. Fanampin’izay, dia maro ireo ministra amperin’asa ankehitriny no tsy dia azo hitokisana, ka isan’ieo ho esorina andaharana atsy ho atsy. Porofon’io ny fandrenesana fa maro amin’ireo mpiray donakafo amin’ny filoha no tsy raisiny mifampidinika aminy intsony. Nanomboka tamin’ny sabotsy teo dia banga ny toeran’ny ministra ao anaty Governemanta, (…)
-
Marais masay
mardi 8 avril 2008 |
Hery A.
| 701 visites
Tsy ahitana vahaolana mihitsy ve ny famongorana ireo mpaka trondro eo amin’ny ranon’ny Masay ireo e ? Io no ady hevitry ny olona eny ambonin’ny fiara fitaterana, indrindra ny amin’ny zotra mandalo eny amin’iny faritra iny. Tazan-davitra ireo mpaka trondro, na andro na alina. Lakana maromaro mihitsy no miasa eo. Tamin’ny voalohandohany, taoriana kely izay nahavitan’iny làlana vaovao iny moa dia amin’ny andro alina no maka trondro ry zalahy. Alentiny ao anaty rano ny lakana amin’ny antoandro. (…)
-
Bongolava • CFA « Centre de formation et d’appui »
lundi 7 avril 2008 |
Hery A.
| 775 visites
Nanomboka tamin’ny taona 2000 hatramin’ny taona 2007 no nanatanterahana ny tetik’asa fametrahana ny tanora mpandraharaha amin’ny tontolo ambanivohitra tamin’ny alalan’ny tetik’asa PROJER « Projet des jeunes ruraux », eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono.
Ao anatin’ny ezaka fiovana maitso maharitra ny tetik’asa ka miompana amin’ny fanitarana ny faritra hamokarana ny fiofanana rehetra. Io no nambaran’ny tale jeneralin’ny CFA, atoa Randriamanantsoa Jafetra (…)
-
Kongresin’ny TEZA
"Toerana hifandimbiasana, ary aleo ny tanora handray ny andraikiny". Isan'ny teny mahitsy nambaran'ny filoha mpanorina ny TEZA io. "Fampitana ny faneva ho eo ambany fitarihan'ny tanora izao", hoy ingahy Moxe Ramandimbilahitra, "satria 10 taona izao no nitarihako ity antoko ity". Ampy traikefa amin'izany ireo mpandimby. "Tsy entam-barotra akory ny TEZA ka azo atakalo", hoy ihany ingahy Moxe, "ary mahaiza mitandrina fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna, fa raha tsy izany, dia ny (…)
-
Fanoherana
Misoko mangina ny hetsiky ny mpanohitra. Tany amin'ny faritra avaratry ny nosy ny faritra atsimo no niaingan'izy ireo ny herinandro teo. Mpanohitra saika miray feo ao anatin'ny CRN avokoa ireto mitetity faritra ireto.
Ny rafitra tetezamita hatrany no ventesina amin'izany, ary raha ny firaisam-po tamin'ny hetsiky ny Monima farany teo no jerena, dia hita fa manararaotra izay sehatra azony hitenenana ireto mpanohitra ireto. Hevitra maro no tsinjon'ny mpitazana amin'izany, dia ny fahitana fa (…)
-
Toamasina
Mitohy ary nahitam-bokatra hatrany ilay « Opération coup de poing » tontosain’ireo mpitandro filaminana eto an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Maro ny karazan’asa maloto fanaon’ireo tsy mataho-tody no mihena an-dàlana hatrany. Tsy vitsy ireo mpanodikondina na mpivarotra solika nahodina ambadika amin’ny toeram-piasana isan-karazany no efa nampidirina am-ponja. Toa izany ihany koa ny vono olona sy ny halatra samihafa toa ny fanafihana toby fivarotan-dasantsy no sarona teny am-panatanterahana (…)
-
ROTARY Club Ainga Antananarivo
samedi 5 avril 2008 |
Hery A.
| 342 visites
Mitohy ny asa sosialy sahanin’ny fikambanana « ROTARY club Ainga Antananarivo » ka hiditra amin’ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « Asako rahampitso » ny fikambanana. Hetsika manokana hanampiana ny mpianatra eny amin’ny lycée izy ity ka ny tanjona dia hanokatra ny sain’ny mpianatra amin’ny tsenan’ny asa. Ny fikambanana ROTARY no hiantoka ny mpanabe hitondra ny fanazavana ka ao anatin’ny ora fianarana no hakàna ora iray hanatanterahana ny fampianarana. Ireo lycée miisa 7 eto (…)
-
Justice et Paix
Manjaka ny fahalovana, ary tsy hay tohaina ny herin’ny fitiavam-bola. Hatrany amin’ny mpitondra fanjakana ka hatrany amin’ny madinika indrindra no ahitana izany. Nomena ohatra ny momba ireo hazo sarobidy izay saika tratra avokoa ny fikasana hanondranana izany any ivelany. Nankaiza izy ireny rehefa voasambotra ?
Isan’ny nivoitra io tamin’ny fihaonana andiany faharoa nataon’ny Justice et Paix tamin’ny fifanakalozan-kevitra fanaony amin’ny mpanao gazety. Isan’ny nandray anjara tamin’io (…)
-
Lozam-pifamoivoizana Lalam-pirenena faha-7
Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no niseho tao Antsentsindranontaolo Ambohimandroso ny marainan’ny alakamisy 3 aprily tokony ho tamin’ny 3 ora maraina tany ho any. Kamiao lehibe iray mitondra zava-pisotro mahamamo avy aty Antsirabe hiazo ny renivohitra no nifandona tamina « minibus » avy amin’ny koperativa FIFITSYmitondra mpiasan’na « chantier » avy any Tsiroanomandidy andeha hiasa hanao sekoly any Vangaindrano vohipeno. Potika tsy nisy azo noraisina ilay « minibus ». 15 ny olona tao (…)
-
Fihinanana hen’omby
Sahiran-tsaina ny mpanjifa amin’ny feo miely momba ny aretina eo amin’ny hen’omby. Zary mihanahana fotsiny ity sakafo ity eny an-tsena ankehitriny, satria miteraka tahotra ho an’ny vahoaka ny aretina entiny.
Na dia efa nanambara aza ny mpitondra fanjakana fa voafehy tanteraka ny momba ity aretina mpahazo ny omby ity, dia hita hatreto fa mihanaka amin’ny fomba haingana ny feo izay toa mampitandrina ny olona tsy hihinana izany hena izany. Miainga eny amin’ny mpivarotra, mipaka hatrany amin’ny (…)
-
Antongo
jeudi 3 avril 2008 |
Hery A.
| 684 visites
Banga iray ny mpifidy vaventy amin’ny fametrahana loholona hatao atsy ho atsy. Naiditra am-ponja tamin’ny talata hariva teo mantsy ny ben’ny tananan’Antongo, anatin’ny distrikan’ny Morombe. Araka ny vaovao azo dia fampiasana ny dina tsy nankatoavin’ny fanjakana sy ny fitsarana no maha voarohirohy ity ben’ny tanana ity.
Etsy andaniny anefa dia nanambara ny mpiahy ny TIM any an-toerana fa bengy an’ity ben’ny tanana ity ihany no nisy nangalatra ary nampiharana ny dina.
Tsy mijanona eo ny (…)
-
Antananarivo renivohitra
mercredi 2 avril 2008 |
Penjy R.
| 795 visites
Iarivo maha-te honina. Mbola izay ve no mitoetra ankehitriny? Andeha hidirantsika kely ny zava-nisy teto hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny fitodiana amin’ny asa mety ahatsara zavatra ny ampitso.
Raha nanjàka ny vahiny, dia nisongadina vetivety ny asa natao teto Iarivo, isan’io ireo trano mijoalajoala manemitra ny araben’ny fahaleovantena, trano izay mbola manome endrika ny renivohitra ankehitriny. Tamin’ny Repoblika voalohany no kila hotohoto ny lapan’ny tanàna tao Analakely, ary tsy mbola (…)
-
Moxe Ramandimbilahitra
« Ny fokonolona no antoky ny fampandrosoana, ary tsinjarao araky ny tokony ho izy ny arena ». Loha-hevitra havoitran’ny TEZA amin’ny kongresiny faharoa amin’ny zoma sy sabotsy izao io. Toa tsy misy ny fampandraisana andraikitra ny vahoaka, ary hita fa tsy migoka ny hatsembohan’ny tavany intsony ny vahoaka, hoy i Moxe Ramandimbilahitra.
« Tsy hilatsaka ho ao amin’ny toeran’ny antenimieran-doholona izahay, satria ny olon’ny TIM avokoa no lany hifidy izay hipetraka eo. Tsy hisolelaka izahay fa (…)
-
Arema matotra sy ny AMF/3FM
Ny sabotsy ho avy izao no fara-fandraisana ny filatsahan-kofidiana loholona. Mbola mifandagolango amin’ireo mpifidy vaventy aloha hatreto ny olona mihevitra ny hilatsaka. Misy kosa ireo miandry hapetraka fotsiny. Isan’io ny eo anivon’ny antoko Arema matotra sy ny AMF/3FM.
Ny antony dia mba ho vali-babena nandritra ny fotoana maro nanohanany ny filoham-pirenena sy ny antoko TIM nandritra ireny fifidianana maro natao teto ireny. Ny avy eo anivon’ny TIM kosa dia tsy miditra amin’ny marimaritra (…)