Articles dans la rubrique « Malagasy »
-
Kongresin’ny TIM
Tsy takona afenina ny disadisa anatin’ny antoko TIM. Andro vitsy tsy hanombohan’ny kongresy no mbola ahitana fingampingana isan-karazany ao anatin’ity antoko ity. Endrika tsy fifampitokisana eo amin’ny samy tompon’andraikitra no hitarafana izany.
Ny tsy ampoizin’ny maro dia hatrany amin’ireo mpikirakira ny serasera sy ny fifandraisana ao anatin’ny antoko, dia toa hanjakan’io disadisa io. Samy te-ho mamy hoditra amin’ireo lehibe amboniny ny ankamaroany, ka tsy voafehy intsony ny (…)
-
Antsirabe
Olona 25 no nahazo fitsaboana teny anivon’ny hopitaly-be Antsirabe taorian’ny fihinanana sakafo nisy poizina nandritra n’ny lanonam-pianakaviana natao ny sabotsy teo tao Androvakely Antsirabe. Rehefa vita ny fety dia nandoa sy nivalana ary narary an-doha mafy ny ankamaroan’ny olona nanatrika ny fety ny andron’ny alahady. Ny talata anefa vao nentina teny amin’ny hopitaly ireo tsy salama ary teo vao fantatra fa noho ny fihinana sakafo voapoizina no antony hoy ny mpitsabo. Tamin’io andron’ny (…)
-
Fakana zaza an-keriny
Zazavavy roa avy nianatra ny harivan’ny talata no nisy naka an-keriny teo amin’ny làlana Andranomafana. Zazavavy roa tsy mifankafantatra no noraisin’ireo jiolahy telo nisaro-tava, ary rehefa voarainy dia naiditr’izy ireo tao anaty kamiao. Nofatorany ary notapenany ny vavan’ireo ankizy ary napetrany tamina trano lehibe iray tao Vohijanahary, tanàna iray somary lavidavitry ny tampontanàna. Rehefa tonga teny an-toerana dia nasain’ireo jiolahy nomen’ireo ankizy ny laharan’ny telefaonin’ny ray (…)
-
Fanarenana ny lapan’ny tanàna
jeudi 15 mai 2008 |
Penjy R.
| 913 visites
Ny sabotsy izao no hapetraka ny vato fototra hanarenana ny lapan’ny tanàna etsy Analakely. Vola Ar 2,5 miliara no ho entina manangana izany, ary tsy maintsy vitaina ao anatin’ny 2 taona. Vola avy amin’ny FAR sy avy amin’ny fitondram-panjakana no voalaza fa hanarenana ity lapa may ity. Ny fitondrana Alemana ihany koa dia hanampy betsaka amin’ny fampitaovana amin’ny fanarenana ny lapan’ny tanàna etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey.
Ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina no hametraka io vato fototra io, (…)
-
Fiangonana Loterana Malagasy any Frantsa (FLMF)
mercredi 14 mai 2008
| 1379 visites
Notokanana tamin’ny alahady 4 Mey teo ny Fileovana Ile De France araka ny fanapahan-kevitry ny KMSL (Komity Mpiandraikitra ny Synode Lehibe) natao tany Fianarantsoa tamin’ny taona lasa 2007 teo. FLM 03 dia Malakoff, La Rochelle any Nantes no miankina amin’ity Fileovana Ile De France vaovao ity. Ny Teny Faneva amin’ny Jaona 10 : 16 a manao hoe : « Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko ».
Tonga marobe ireo mpianakavin’ny (…)
-
Lalàm-pifidianana
mercredi 14 mai 2008 |
Penjy R.
| 299 visites
Kely finoana ny maro ny mety hisian'ny fandinihana ny fanitsiana ny lalàm-pifidiana etsy Tsimbazaza. Maro ny nanao tolon-dalàna amin'ny hanitsiana ny lalàm-pifidianana eto amintsika, nefa raha ny resaka natao tamin'ireo depiote teny an-toerana, dia mbola tsy dia maika loatra izy amin'izao, satria efa vita tanteraka ny fifidianana eto Madagasikara.
Tolo-dalàna maro no dinihana manomboka izao, saingy mbola tsy laharam-pahamehana aloha hatreto ny momba io lalàna iray io. Voafetra ihany koa ny (…)
-
Fanarenana ny lapan’ny tanàna
Manomeza kely. Isan’ny teny fanarabiana ataon’ny ankolafin’olona eto amin tsika io rehefa te-hangataka amin’olona iray hafa. Nanomboka tamin’ny naha-may ny rovan’i Manjakamiadana no nandrenesana io teny iray io.
Ny datin’ny 13 may ho avy izao no fantatra fa hametraka ny vato fototra ho fanarenana ny lapan’ny tanana etsy Analakely ny ben’ny tanana Andry Rajoelina. Isan’ny ben’ny tanàna nanana finiavana hanarina io lapa io indray izany ingahy Andry TGV. Ny ben’ny tanàna Guy Willy Razanamasy (…)
-
Ambositra
Omaly no nentina tany amin’ny fampanoavana tany Anosy ilay vazaha nahafaty olona tany Tsarasaotra-Ambositra, noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga, ny 7 may lasa teo, tamin’ny 10 ora maraina tany ho any.
Tsiahivina fa fiara 4x4 no nentin’ity vahiny ity. Vokatry ny tsy fitandremana nataony, izay nirimorimo mafy dia mafy dia nifanehitra tany amin’ny fiara mini-bus izy. Maty teo noho eo moa ny mpamilin’ilay mini-bus tamin’izay fotoana izay ary olona fito hafa naratra nandritra izay (…)
-
Fanomezana herinaratra
Tanjona ao anatin'ny MAP ny fanomezana herinaratra ny tontolo Ambanivohitra. Ezaka izay nampetraky ny fanjakana ny hanaparitahana io herinaratra io manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Mandeha ila ny asa raha mbola ny haizina no manjaka. Kivy tanteraka ny kaominina Ambanivohitra ny mety ahazoan'izy ireo herinaratra hanazava ny faritra misy azy. Lafo ny fampidirana jiro amin'ny toerana ivelan'Antananarivo renivohitra, ary hita fa tsy maharaka ny filan'ny mpanjifa ny JIRAMA. Ny (…)
-
Oniversiten’i Toamasina
Nanao fihetsiketsehana ny mpianatra tany any amin’ny Oniversiten’i Barikadimy-Toamasina, afak’omaly alina. Vokatry ny delestazy no nahatonga ireo mpianatra nitroatra. Araka ny vaovao azonay avy an-toerana mantsy dia maty tanteraka ny jiro tao anatin’ny faritry ny Oniversite tamin’io alina io, efa miverimberina matetika moa izany fahatapahan-jiro izay miantraika mihitsy any amin’ny fonenan’ny mpianatra ka nitarika ny fahatezeran’izy ireo.
Nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany alina tany ho any (…)
-
Antananarivo-Renivohitra
jeudi 8 mai 2008 |
Hery A.
| 820 visites
«Tao anatin’ny andro vitsivitsy izao, tsy afaka nanala maloto na diky intsony ny sampan-draharaha miandraikitra izany eto anivon’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra. Naato vonjimaika aloha io asa io ». Fanambarana nataon’i Liva Ramavozatovo, talen’ny Fotodrafitrasa eto Antananarivo izany ho valin’ny fanontaniana napetraka taminy. Nisy antony mazava nahatonga ny fivondronana ity fanapahan-kevitra ity. « Iray ihany ny fiarakodia eo ampelatanan’ny Kaominina voatokana hanao io asa io. Io (…)
-
Faritra Atsinanana
40%-n’ny dosie sisa amin’ny volana aogositra ! « Tratra ny tanjona » hoy ny vaovao voaray. Noho ny fiaraha-miasa matotra miaraka amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, dia ezaka maro no vita ary mbola hotohizana.
Ao Vatomandry, ny 39 % n’ny dosie no miakatra fitsarana amin’ity herinandro ity. Ao Ambatondrazaka, 895 ny antontan-taratasy tsy voakasika. Amin’izao fotoana izao, vita fitsarana ny 66 % ary ny 158 miandry ny fotoana hanaovana ny fitsarana sisa. Toy izany koa ny ao Maroantsetra, (…)
-
Raharaha Mahandry
mercredi 7 mai 2008 |
Hery A.
| 585 visites
Manoloana ny raharaha fisamborana ireo jiolahy tarihan’i Mahandry dia polisy maromaro no voatonotonona ho mpiray tsikombakomba amin’ity jiolahy ity, ka mahatonga azy ireo ho tafaporitsaka isaky ny mifanehatra amin’ny polisy. Nisy hatrany ny fotoana voalaza fa nifanandrinan’ny polisy tamin’i Mahandry sy ny tariny ary izay fiporitsahana izay hatrany no zava-misy. Nanao fanadihadiana anatiny ny polisim-pirenena ka tamin’ny fifanandrinan’ny jiolahy sy ny polisy tetsy Ankerana, herinandro (…)
-
mercredi 7 mai 2008
| 591 visites
Hangina aho hoy i Zakahely : Hivory no hiakarako eto Tsimbazaza. Midika izany fa misy feon’ny vahoaka tiany ho entiko momba ny asa tokony hatao any Fenoarivo Atsinanana. Raha misy fisamborana ahy inona no azoko atao, satria kely sy bitika aho. Hangina aho fa tsy haneho hevitra politika intsony hoy ihany ingahy Zakahely. Fanohizan’asa no atao hoy kosa ny depiote Donat Andriamahefamparany : Raha nanambara ny filoham-pirenena fa izao vao tena hanomboka ny asa eto amin’ny firenena, dia mety ho (…)
-
Andriambilany
mardi 6 mai 2008 |
Manou
| 1070 visites
Nifanantitra amin-janaka aman-jafy araka ny fiteny tokoa Ramatoabe Razanatompo tany amin’ny fokontany Ambahondrano, kaominina Andriambilany, any amin’ny distrikan’Ambatolampy satria nahatratra 118 taona ! Tsy nisy fahagagana
Niaina toy ny olon-tsotra rehetra niray tanàna taminy tany ambanivohitra izy, araky ny fitantaran’ny mpiray monina : niasa tany, niady tamin’ny fiainana, nianjadiam-pahoriana ihany koa...
Tsy voahazavan’ny fianakaviany mihitsy ny antony nampiavaka azy ka nahatonga (…)
-
Ankazomanga
mardi 6 mai 2008 |
Manou
| 796 visites
Nisokatra tamin’ny alakamisy nankalazana ny andro niakarana teo ny trano fiangonana nifandroritan’ny mpino protestanta tao Ankazomanga-Atsimo ao amin’ny boriborintany faha-6 Antananarivo-Renivohitra araky ny fandaminana vonjimaika avy any amin’ny « préfecture de police. « Ifandimbiasana ny fampiasana ny trano satria nivaky roa ny mpiangona ka ireo nankato ny hifindra ho eo ambany fitantanan’ny Fjkm no miditra mialoha vao afaka manatanteraka fotoam-pivavahana ny mpankasitraka ny Fkpma, (…)
-
Filohan’ny Sénat vaovao
Anio no fantatra izay ho filohan’ny Antenimieran-doholona vaovao. Samy manana ny tombany izay mety ahazo ny toeram-boninahitra iray io ny rehetra. Anarana telo no mandeha, izay samy olona akaiky ny filohan’ny Repoblika avokoa, ka ho sarotra amin’ny loholona mpifidy ny tena hametraka ny safidiny malalaka.
Ny tsara ho fantatry ny maro, dia tsy hitondra fahagagana eo amin’ny fiainam-bahoaka andavan’andro izay lany eo. Maro ny lalàna tsy maintsy ho dinihina, fa ireo hevi-baventy mahakasika ny (…)
-
Asa fanaovan-gazety
Nankalaza ny andro eran-tany ho amin'ny fahalalahana manao gazety isika teto Madagasikara ny 3 Mey lasa teo. Ny mpanao gazety zokiolona no nikarakara ny hetsika rehetra tetsy amin'ny Cite Ambatonakanga.
Nandritra ny fihaonambe tao no nanehoan'ny rehetra ny endriky ny fahalalahana na teritery misy eto. Malalaka satria saika miroborobo ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, ary porofon'izany ny fahitana ireo radio sy gazety maro be eto amintsika. Tery ihany anefa, satria misy hatrany ny (…)
-
Mpanolontsaim-paritra Analamanga
Tsy voatazona ny teny nomena. Ny mahasoa aloha vao ny tanindrazana. Io no azo ilazana ny zava-misy eo amin'ny mpanolontsaim-paritra eto Analamanga manoloana ny ady varotra ho an'ny tombontsoan'ireto olom-boafidy ireto.
Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoanan'ireto mpanolontsaim-paritra ireto ny fandinihana manokana ny tombotsoa tokony ho azon'izy ireo. Isan'io ny tokony hanomezana vola amin'ny trano hipetrahan'izy ireo. Ny fanonerana ny vola lany raha misy marary, ary misy ny mihevitra (…)
-
Toamasina
Trano lehibe iray misy rihana roa ary ahitana efitra miisa 59 no iasan’ny polisim-pirenena any Toamasina amin’izao fotoana izao. Fiaraha-miasan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny filaminam-bahoaka sy ny Vondrona Eoropeana no nahatontosana izany lapan’ny polisim-pirenena izany, izay nandaniam-bola manodidina ny Ar 600 tapitrisa.
Teo aloha dia tao amin’ny Lapan’ny Tanàna no nisy ny komisarian’ny polisy. Amin’izao fotoana izao dia nifindra ao amin’ny trano vaovao ireo polisy na ny polisy (…)