Articles dans la rubrique « Malagasy »
-
Tapa-kila Taxi-be
Izay mpandeha tsy manana, manary, na mamotika tapa-kila dia voasazy handoa 1 000 ariary hoan’ny zotram-pitaterana iray eto an-drenivohitra. Hoan’ity zotra ity, izay mampitohy an’Amboditsiry amin’ny Tanjombato dia sarobidy ny tapa-kila. Somary hafakely mantsy ity tapakila ity miohatra aminin’ireo zotram-pitanterana hafa mahazatra.
Tapa-kila taratasy mifono « plastique ». Izany hoe tapa-kila « plastifié ». Somary ngezangeza tsy toy ny mahazatra. Tsy mitambatra intsony fa mitsitokatokana. (…)
-
Moxe Ramandimbilahitra
Hampanjakao eto amin'ny tanintsika ny teny Malagasy. Isan'ny fehin-kevitry ny antoko Teza hatramin'izay io, ary hitakiany ny hanaovana ny taratasim-panjakana rehetra ho amin'ny fiteny Malagasy. Miainga any amin'ny fokontany, ka mipaka hatrany amin'ny ambaratonga ambony.
Omaly raha nanao ny fihaonana mivantana tetsy amin'ny lapan'ny antenimieran-doholona etsy Anosikely ny mpikambana ao anaty Governemata sy ny loholona, dia mbola nanamafisany izany. Niainga amin'ny fanaovana ny tarasan'omby (…)
-
Mpampianatry ny FRAM
samedi 31 mai 2008 |
Hery A.
| 301 visites
Telo volana izay no tsy nandray ny tambi-karamany ireo mpampianatra karamain’ny FRAM, amin’ny EPP sasany eto an-drenivohitra. Ilay fanampiana avy amin’ny fanjakana ity tsy azo hatramin’izao ity, ka raha araka ny nambaran’ireo mpanabe dia ar 60000 isam-bolana ilay vola. Mbola ireto mpanabe ireto ihany koa anefa ilay tsy nandray ny tambikaramany tamin’ny fitsarana fanadinana BEPC tamin’ny taon-dasa, hatramin’izao. Angamba, hoy ireo mpanabe, tsy avy amin’ny fisolosoloan’ny minisitra loatra no (…)
-
Angarangarana
samedi 31 mai 2008 |
Hery A.
| 532 visites
Vehivavy iray no saron’ny fokonolona nitaona entan’olona teny Anosibe Angarangarana, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora teo. Efa minitra maromaro no nitaoman’ireo mpangalatra ny entana isankarazany toy ny fahitalavitra sy kojakojan-tokantrano maro, vao tonga saina ny olona sasany nandinika ny fihetsik’izy ireo toa mahimahina. Tsy naharitra ireo mponina nahita ny fisehoan-javatra ka nanadihady avy hatrany. Fantatra teo fa entan’olona ireto taomina ireto. Toy ireny olona mifindra trano (…)
-
Governemanta sy loholona
Soa fa teo ireo tsy miankina. Saika ireo loholona notendren'ny filoham-pirenena no nanjaka tetsy Anosikely nandritra ny fametrahana fanontaniana omaly. Ry Moxe Ramandimbilahitra sy Rabetsintonta ary Rabotoarison sy ny namany no nibahana tamin'ny fanotaniana ho an'ireo ministra sy ny Praiministra. Ekena fa nandeha isaky ny vaomiera ny fanontaniana, saingy voafehin'ny mpitondra teny avokoa ve ny olana isaky ny faritra misy ireto loholona ireto? Na dia fanamarihana sy soson-kevitra aza toa tsy (…)
-
Governemanta sy ny depiote
Niova tokoa ny fomba fiasa. Isan'ny ezaka lehibe nampetraky ny filohan'ny antenimieram-pirenena Sylla io, ary tsy itsahatra namerimberina izany izy tao an-dampa.
Tsy dia maro loatra toy ny fahita hatramin'izay ny fanotanian'ireo depiote, na dia niezaka ho fanotaniana iray tonga dia valiny aza ireo mpitarika ny fivoariana. Ny atoandro dia efa vita ny ady hevitra. Asa resy lahatra tamin'ny asa nataon'ny Governemanta tokoa angaha ny depiote ka tsy nanana hafitsoka firy tamin'ny fanontaniana. (…)
-
Tarika « Feo Dimy »
1983-2008 : Feno 25 taona nanandratana ny hita evanjelika ny tarika « Feo Dimy ». hetsika maro no hanaramarihan’izy ireo izany jobily izany, izay hosokafana ao amin’ny FJKM Amparibe-Famonjena, amin’ny Alahady ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
Araka y nambaran’ny pasitera Rahaingonjanahary Rodolphe, izay filohan’ny tarika dia hanamarika izao fankalazana ny faha-25 taona izao ny famoahana CD Audio izay hanasongadinana ny « Negro Spirituals » sy « Gospel songs », izay sambany (…)
-
Fiainam-pirenena
jeudi 29 mai 2008 |
RAW
| 587 visites
« Efa tsy laitra intsony ity », hoy i Isaak Ramamonjisoa, isan'ny mpitarika ny « Fikambanana Tanora Sahy sy Vonona (FTSV) ». « Diso fanantenana izahay tanora raha feno tanteraka izany fanantenana izany tamin'ny taona 2002 », hoy izy. « Raha ny 53%-ny mpifidy no nirohotra nifidy an'i Marc Ravalomanana tamin'ny 2002 dia ankehitriny tsy nisy hafa tsy 13% fotsiny sisa raha ny fahitanay azy. Ny antony moa dia tsy nisy tanteraka ireo zavatra nampanantenainy fa toa miha-mahantra ny tokantrano (…)
-
« Gare routière » etsy Ampasampito
Omaly no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy indray ny «Gare routière » etsy Ampasampito. Tsapa nandritra io omaly io fa misy ny tsy manaiky ny fandaminana ireo koperativa hafa. Isan’io ny KOFIMANGA. «Aleo samy mameno ny azy », hoy izy ireo, « fa tsy atao izany faritra iray no handoavam-bola ary io no hameno ny fiara ». Ny ben’ny tanàna lefitra no tonga teny an-toerana. Tsara ny milaza fa tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna Patrick Ramiaramanana no nanombohan’ny asa. Notokanana kosa tamin’ny (…)
-
Zakahely Boniface
jeudi 29 mai 2008 |
Penjy R.
| 469 visites
Hifantoka etsy Tsimbazaza indray ny mason’ny mpanara-baovao. Hihaona mivantana ny Governemanta sy ny depiote. Ny tatitry ny asa vita sy ny mbola ho atao no hifantohan’ny fihaonana.
Isan’ny ahasarika ny sain’ny maro ihany koa ny momba ny zava-nitranga nahazo ny depiote Zakahely izay nalefa any amin’ny fonjan’Ambalatavohangy ny alahady teo. Tsy vao izao no nahitana depiote nahiditra am-ponja teo am-perin’asa, fa efa nihatra tamin’ny depiote Voninahitsy io. Mbola any am-ponja ihany koa ity (…)
-
Asa tantsambo
mercredi 28 mai 2008 |
Volana R.
| 890 visites
Mila voatsiary sa ny fandrosoana no mitaky izany ? Raha ny fanapahan-kevitra noraisin’ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale), tamin’ny 22 mey 2007 – izany hoe herintaona lasa izay – dia tsy maintsy manana ireto fanamarinana ireto ireo tantsambo Malagasy : certificat de sécurité de base (Base), certificat d’aptitude physique (APT), certificat de formation médicale niveau 2 (SMED), certificat de qualification avancée à la lutte contre l’incendie (Avance), certificat d’aptitude pour (…)
-
Tafatafa amin’i Raw
mardi 27 mai 2008
| 687 visites
Ny matoan-dahatsoratra omaly « Omniscient » dia nampahatsiahy lahatsoratra iray nataon’ny mpandinika tamin’ny taona 1997, izay nivoaka tamin’ny 2004 tao amin’ny gazety mpiseho isan’andro « Express de Madagascar ». Ny lohateniny dia « Mbola mety ho tafarina ve isika » : « O ry mpitondra ! » Mahaiza manetry tena ô....
Raha tsorina dia toa endrika sy tranga iray ihany no hitany tamin’izany fotoana izany, sy ny hitan’ny gazety « Express de Madagascar » tamin’ny taona 2004, volana septambra (…)
-
Fitsarana mpanao politika
Mipoitra tsikelikely eny anivon’ny fitsarana ny raharaha masahana ireo mpanao politika eto amintsika. Niainga tamin’ny raharahan’ingahy Davida Rajaon, izay noafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana. Nitohy tamin’ny raharaha Pety sy ny Jeneraly Andrianafidisoa nipaka hatrany amin’ingahy Voninahitsy, ary io niafara tamin’ny fisamborana an’i depiote Zakahely ny alahady hariva teo.
Ny tafavoaka aloha dia iray, fa ny sazy niampy kosa ny an’ireo hambara ho nikasa hanongam-panjakana ny volana (…)
-
Fitaterana nafarana tany ivelany
Tsy hita tabilao intsony ny niafaran’ireo Tramway nafaran’ny ben’ny tanàna teo aloha Patrick Ramiaramanana. Noheverina fa hampiasaina hanala ny fasahiranan’ny olona manodidina ny renivohitra izy io, saingy nanjavona ankehitriny.
Matoa nafarana ho tonga eto itony Tramway itony, dia efa voafaritra mialoha ny fitaovana hampiasaina aminy. Nisy ihany koa ny volan’ny kaominina nivoaka tamin’ny fanafarana azy nefa tsy misy tompon’andraikitra iray manazava ny mety na tsia hampiasana azy io eto (…)
-
Fandalovan’i Rossy
Faly ny maro, fa tonga ny mpitapôlaka. Izay nolalovany feno hipoka avokoa. Isan’ny VCD mandeha indrindra ny kapila mangirana navoakany « ino vaovao », satria tsara rafitra ny gadon-kira navoakany. Tsy nilàna fandefasana hira matetika tamin’ny haino aman-jery ny hira vao malaza, fa tonga ho azy ao ambavan’ny maro. Ny antony, dia tsy nirototorotoana ny famoronana fa niangaliana an-taona maro. Tsy atao mahagaga ny fitiavan’ny olona azy, satria ireo hira tany aloha mbola miverina ao ambavan’ny (…)
-
Olom-boafidy isam-paritra
Miseho ho mahavita asa nefa mampitondra fahoriana ny vahoaka. Io no ambetitenin’ny vahoaka raha miditra ny kaominina sy ny faritra ivelan’ny renivohitra ianao. Aleonay tsy misy olom-boafidy na tendrena fa ny filoha mivantana no ilainay ho tonga aty, satria io no hitanay fa maha-vaha ny olana isam-paritra. Teny amin’iny faritra atsimondrano iny no nitalahoan’ny vahoaka izany ny faran’ny herinandro iny. Ambohijoky mipaka hatreny Tsiafajavona sy Ankeribe iny no nahitana izany. Làlana eo amin’ny (…)
-
Finoana • Fiangonana Kibanguiste
lundi 26 mai 2008 |
Manou
| 782 visites
Fotoam-bavaka lehibe ho an’ny mpanaraka ny antokom-pinoana Kibanguiste maneran-tany ny alahady 25 may omaly ho fankalazany ny krismasy ahatsiarovana ny vanim-potoana nahaterahan’i Jesosy Kristy, loharanon’ny finoana kristiana rehetra.
Faminanian’i Papa Kibangu
Nanamarika io fotoan-dehibe io tamina vavaka lehibe teny amin’ny foiben-toerany teny Andavamamba ny teto Antananarivo, nanazavan’ny Réverend Andrianalijaona Ndremanampy, solontena ara-panjakanan’ny Eglise de Jésus-Christ sur la Terre (…)
-
Fampandrosoana
lundi 26 mai 2008 |
Manou
| 564 visites
Hanitatra ny ambaindainy ny fikambanana Madagascar Terre de Liberté, araky ny tapaky ny fivoriambe teto an-drenivohitra tamin’ny sabotsy teo.
Hanampy ny Map
Haparitaka any amin’ny faritra rehetra eto amin’ny nosy ny fikambanana, raha ny vinavinan’ny mpivory niainga avy tamin’ny tolo-kevitry ny mpikatroka zandriny tamin’io fotoana io. Voafaritra ao anatin’ny sata fototra rahateo ny fanatanterahana izany, araky ny fanambaran’ny filohan’ny Madagascar Terre de Liberté International, Ravonison (…)
-
Fitanterana
lundi 26 mai 2008 |
Penjy R.
| 588 visites
Ady hevitra tsy nisy tahaka izany. Ny herin’ny fahefana rehetra no manao litania amin’ny haino aman-jery mba hiarovana ny ain’ny vahoaka eo amin’ny tontolon’ny fifamoivoizana. Inona no vokany, maty ihany vahoaka tsy manan-tsiny.
Naiditra am-ponja ireo nahafaty olona. Henjana ny sazy nomena azy, nefa toa tsy maharesy lahatra ny mpamily ny vokany. Miseho ho mahay noho ny hafa ka ny fandehanana mafy no grady heveriny ho azo. Tsy ny eto andrenivohitra ihany, fa hatrany amin’ny zotra nasionaly. (…)
-
Referandaoma
Tsy tafitan’ny fanjakana intsony ny toky natao, ka aleo miditra amin’ny referandaoma. Io no isan’ny nambaran’ny filohan’ny « fikambanan’ny tanora sahy sy vonona » Ramamonjisoa Isaak ny tolona heveraina ho atao. Fito taona lasa izay ny toky napetraky ity filoha ankehitriny ity, nefa aiza ny zava-misy ankehitriny? Fahoriam-bahoaka, izay tsy azo leferina intsony. Iza ny olona tsy afaka hanao fampitaha ny vidin’entana niainga tamin’ny 2001 ka hatramin’izao. Mbola afaka hirehareha ve ity (…)