Articles dans la rubrique « Malagasy »
-
Fitadiavana asa
Tsy mahita asa, dia aleo mitaingina tamboho. Eo no manoko resaka mandram-paharivan'ny andro. Avy eo dia manao "mimi" any amin'ny Bar. Ireo matetika no hita ataon'ny tanora eto amintsika, satria tsy mahita asa hono. Ny asa ve no tsy misy, sa ny sasany no kamo ? Mazàna dia mipetraka ao amin'ny Malagasy ny haingidraingitra amin'ny asa izay ho ataony. Tsy hiasa amin'ny "Zone" izahay, fa sady kely karama no manandevo olona, hoy indray ny hafa. Toa ny miasa birao no tena heverin'ny sasany fa asa, (…)
-
Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo
Nahitam-bokany ny ezaka nataon'ireo mpitsabon'i Hjra (Hopitaly Ravoahangy) etsy Ampefiloha (Antananarivo) amin'ny fikarakarana an'i Mahalatsa sy Mahagaga, kambana miraikitra. "Tafakatra 3,320 kg ny lanjan'izy ireo raha toa ka 2,800 kg monja izany tamin'ny fotoana nahatongavany teto amin'ny hopitaly" hoy ny Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo, lehiben'ny Sampan-draharaha miandraikitra ny fandidiana ny zaza eo anivon' ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona tamin'ny resaka nifanaovana taminy (…)
-
Ivato
Velona ny sahotaka ao Ivato. Ny fandravana trano hitranga eny an-toerana izay atao tsy ho ela no nampifandona indray ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny kaominina Ivato Seranana sy Ivato Firaisana.
Raikitra ny hakandroaka ny zoma teo, nataon'ny avy ao amin'ny kaominina Ivato Seranana, izay milaza fa tokony hiala eo amin'ny biraony ankehitriny ny ben'ny tanàna ao Ivato Firaisana sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra. Olana efa nisy teo aloha io, saingy lovan'ireto ben'ny tanàna aty afara ireto (…)
-
Fahanginan’ny antoko AVI
"Ho avy ny fotoana hanehoanay ny tena zava-misy marina momba ny fiainam-pirenena. Tsy azo hirotoroana io, satria mila fandinihanana lalina vao miseho vahoaka". Io no nambaran'ingahy Randrianarivony Edmond, izay depiote teo aloha lany teto an-drenivohitra.
"Miaiky izahay AVI fa reraka aloha hatreto, taorian'ireny fifidianana nisesy teto Madagasikara ireny. Hiseho indray izahay ato ho ato, ary tsy azonay hekena izao fahoriana mianjady amin'ny vahoaka izao".
Ankoatry izay, dia nanambara ity (…)
-
Sehatry ny Fitsarana
samedi 5 juillet 2008 |
Hery A.
| 568 visites
Tsy izay miditra am-ponja akory dia meloka avokoa. Tsy hasakana ny fomba fijerin'ny maro ety ivelan'ny fonja anefa ny fahitana ireny olona ireny, izay nalefa vonjy maika maka saina any. Arakaraky ny raharaha hiampangana ny olona anefa no maha ela na maha haingana ny fitsarana ny raharaha iray. Mazàna anefa, na dia efa nihiboka am-ponja nandritra ny volana maro ilay olona, dia afaka madiodio rehefa mivoaka ny didim-pitsarana.
Io no mampitaraina ny maro, satria ny haja amam-boninahiny no (…)
-
Sakafo
vendredi 4 juillet 2008 |
Naivo kely
| 832 visites
Tsy misy sakafo tsy hita eto Antananarivo renivohitra. Tsy ho gaga isika raha mivangogo eto ny ankamaroan'ny olona avy any amin'ny faritra rehetra any. Ny vidin'ireny sakafo ireny ihany koa hita fa mbola mora raha mitaha amin'ny any amin'ny faritra isan-karazany. Ny vola indray no tsy maharaka, ary ho zary ho nofy raha Antananarivo no ho faty mosary hoy ny mpitazana.
Antony mampitobaka ny sakafo eto, dia ny famatsian'ireo faritra isan-karazany sakafo manta ity renivohitra ity. Hita io toy (…)
-
Andravoahangy
vendredi 4 juillet 2008 |
Nivo T. A.
| 972 visites
Miseho amin’ny endrika maro samihafa tokoa ny fisolokiana amin’izao fotoana izao. Mpivady mihaja mandrebireby mpivarotra ao an-tsenan’Andravoahangy ary maka volan’olona amin’ny alalan’ny fihetsika hafahafa.
Tsy nampino raha ny zavatra notantarain’i Rtoa Nirina, mpivarotra akanjo voazaitra ao Andravoahangy. Araka ny nambaran’ity mpivarotra mantsy dia nisy vehivavy iray nividy pataloha teo aminy, tamin’ny vidiny Ar 4.000. Nanome vola Ar 10.000 izy mivady ka tokony hamerenana Ar 6.000. (…)
-
Eto an-drenivohitra
jeudi 3 juillet 2008 |
Hery A.
| 714 visites
Hatramin'izao dia mbola tsy miverina amin'ny laoniny ny tsenan'ny henan'omby, indrindra aty ampovoan-tany. Manaporofo izany ny fidinan'ny vidin-kena eny ambony akalana eny ka raha tokony ho Ar 5600 any ho any ny vidin'ny hena 1 kg, dia efa misy mampidina hatrany amin'ny Ar 4000 izany. Raha tazanina anefa, dia toa hena tsara ny ankamaroany ary misy fitomboka sy voaara-maso tokoa. Araka ny nambaran'ny mpivaron-kena iray dia ny mpihinana mihitsy no matahotra, na efa tsy zatra intsony angaha. Ny (…)
-
Fisamborana tao Fianarantsoa
Ho vory lanona ao Fianarantsoa anio ny mpanohitra any an-toerana. Hiaino ny valin'ny fitsarana an'i Simon Cyriaque sy i Jules Roger avy eo anivon'ny "Tambatra" sy ny "Masters" any an-toerana izy ireo.
Fikasana hanongam-panjakana no antony hiampangana azy roa lahy ireto. Mialohan'ny fetin'ny Fahaleovantena teo no nisamborana azy, ka nampidirana avy hatrany any am-ponja rehefa nandalo teo anoloan'ny Fampanoavana ao Fianarantsoa. Mifanohitra amin'io kosa no nambaran'ny mpanao politika any (…)
-
Kambana miraikitra
mercredi 2 juillet 2008
| 1425 visites
Asa goavana no hiandry ireo mpitsabo ao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Tsy inona izany fa ny mety ho fandidiana ireo kambana miraikitra raha toa ka izay no fanapahan-kevitra raisin’ireo mpitsabo. Nilaza ny fahavononany ny Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana, mpitarika azy ireo. Toy izao ny resaka nifanaovana taminy.
• Madagascar Tribune : Efa eto amin’ny hopitaly ireo kambana miraikitra ankehitriny. Matetika dia fandidiana no hatao amin’ny trangan-javatra toy izao. Inona (…)
-
Halatra ranon’ny Jirama
mercredi 2 juillet 2008 |
Hery A.
| 502 visites
Niakatra fitsarana omaly talata indray ireo olona voarohirohy tamin'ny halatra ranon'ny JIRAMA tao Antsiranana. Olona miisa 9 no voarohirohy ka ny iray moa dia notanana am-ponja vonjimaika. Olona 4 amin'ireo kosa no mpiasan'ny JIRAMA, niray tsikombakomba, sy fototry ny famoahana an-tsokosoko ny fitaovan'ny orinasa Jirama. Raha tsiahivina ny raharaha dia ny namilian'ireo mpangalatra ny rano mamatsy ny renivohitra. Eny Joffre ville, misy ny milina fanadiovan-dranon'ny Jirama no niainga ny (…)
-
Gadra Politika
mercredi 2 juillet 2008 |
Naivo kely
| 699 visites
Na dia any am-ponja aza dia mbola mitohy ny antso ho an'ny rehetra tsy hanaiky ny tsy rariny. Mpanao Politika iray manana ny lazany teo aloha izay migadra etsy amin'ny fonjaben'Antanimora no maniry ny hitambaran'ny herin'ny mpanohitra. Andro vitsy lasa izay, dia voalaza araky ny loharanom-baovao, fa nanoratra ho an'ny antoko Politika rehetra eto aminintsika izy io, izay nanorotsirotra ny tokony hanohizana ny tolona. Tolona izay tsy tokony avela hangina, satria io fahanginana io no toa (…)
-
Alaotra Mangoro
mercredi 2 juillet 2008 |
Hery A.
| 731 visites
Niverina indray ny vaky fasana any amin'ny faritra Alaotra Mangoro, raha somary nangingina izany tato ho ato. Tamin'ny alin'ny faha 23 jona hifoha 24 jona teo dia fasana miisa 6 be izao no vaky. Toerana eo amin'ny 10 km, atsimon'Ambatondrazaka eo no nisehoan'ity vaky fasana ity. Very ny taolam-balon'ny razana tamin'ireo fasana ireo ary tsy hita popoka hatramin'izao.
Mbola mipetraka ho mistery hatrany ny tantaran'ity taolam-paty sy vaky fasana ity na dia efa an-taona maro aza no nisehoany. (…)
-
Imatep
Nivoaka ny naoty ofisialy. Foana ary tsy manan-kery ny valim-panadinana ankapobe natrehin’ireo andiana mpianatra faha XVI, Riham-piofanana faha-3, taona 2006-2008 izay notontosaina ny 6 - 11 martsa 2008 teo anivon’ny Imatep (Ivotoerana malagasy momba ny Tetipivoarana) etsy Ambohijatovo-Ivandry. Fantatra ihany koa araka io naoty mitondra ny laharana DFF-076/2008 nivoaka ny 25 jona 2008 fa manomboka ny 4 aogositra ho avy izao no hamerenana indray io fanadinana nofoanana io. Zava-dehibe ho (…)
-
Anosibe
mardi 1er juillet 2008 |
Hery A.
| 657 visites
Lanaky ny asa nandritra sy taorian'ny fety ny mpanadio ny tanànan'Antananarivo ka araraotin'ny sasany ny tsy fanarahan-dalàna sy fampihinanana maloto ny vahoaka. Mirongatra indray ny fivarotana trondro maloto amin'izao fotoana izao. Ny eny amoron-dalana aloha no tena ahitàna azy, toy ny etsy Anosibe, manamorona ny lalam-baovao ho any Namontana sy Soanierana iny. Taorian'ny fety dia nidofaka ny fofo-trondro maloto, nirongatra ny lalimanga. Samy manaporofo ny maha trondro maloto azy ny (…)
-
AKFM
Ny tsy fitoviam-pijery sy ny fizarazarana no tsy ahombiazan'ny tolona atao eto. Tsy mahagaga raha mahazo laka amin'izay tiany atao ny mpitondra. Aoka mba ho raisina ohatra ny ataon'ny mpanohitra atsy Zimbabwe. Io no nambaran'ny sekretera Jeneralin'ny antoko AKFM, Rakotomanga Erick tao amin'ny Aceem Radio ny alahady atoandro teo.
Ny firosoana amin'ny fifampidinihan'ny hery velona rehetra tsy ankanavaka eto amin'ny firenena no maika. Raha toa ka mbola samy manao be marenina eto isika (…)
-
Fitaterana • Tsy milamina eny Ampasampito
mardi 1er juillet 2008 |
Manou
| 815 visites
Tsy mety voarindran'ny tomponandraikitra ao amin'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra mihitsy ny fitantanana ny toby fiantsonan'ny fiara mpitatitra mpandeha ao Ampasampito !
Very hevitra noho io toe-javatra io ny kaoperativa Kompima, iray amin'ireo kaoperativa mpitatitra olona mankany Moramanga, nafindra eny Ampasampito hanaovan'ny kaominina andrana amin'ny fitantanana ny "Gare routière" vaovao.
Tsy mazava intsony
Nifanarahan'ireo kaoperativa rehetra sy ny kaominina tany am-piandohana (…)
-
26 jiona tao Antsirabe
Trano efatra may kila forehitra tao amin’ny Fokontany Ivory Antsirabe, nifanojo indrindra tamin’ny fandefasana ny afomanga.
Taorian’ny kabarin’ny filoha Ravalomanana tamin’ny fahitalavim-pirenena dia nalefa ny afomanga teto Antsirabe izay natrehin’ireo manam-pahefana maro isan-tsokajiny, kinanjo tetsy akaiky tsy lavitra akory indro nisy hazavana be tsy misy toy izany teny andanitra ary indro lelafo no nanangasanga, avo dia avo moa ilay toerana ka halan-drivotra. Tokantrano efatra no indray (…)
-
Vavahadin’i Madagasikara
Tsy ho faralahin'ny kaominina intsony Ivato. Io no sento tokana nataon'ireo vahoaka maro be raha nahita ireo olom-panjakana maro ny asabotsy maraina teo, izay notarihan'ny Praiministra lehiben'ny Governemanta Charles Rabemananjara. Nametraka ny vato fototra ho fanombohan'ny asa ho fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato seranana.
Ny fanitarana ny "Piste" hidinanan'ny fiaramanidina sy ny làlana eny an-toerana no natao. Fiaraha-miasa amin'ny Japon sy ny Adema no ahavitana ao anatin'ny (…)
-
Antoko mpanohitra
Na maro aza ny tetika tokony ho atao, dia mandamoka hatrany izany. Io no tsapan'ny mpanohitra eto amintsika, ka tsy mahagaga hoy izy ireo, raha maro aminay no zary tafiditra am-ponja tsy fidiny.
Misy ny Jiolahy Politika, izay miezaka mamotika ireny hevitra tapaka ao anaty fivoriana ireny. Tsy lasa lavitra ny tohiny, dia efa mivily lalana. Ao ihany koa no milaza fa mpanohitra, nefa hita mibaribary, fa mialokaloka any amin'ny fitondrana. Inona no tsy asahian'izy ireny milaza fa mpiray (…)